FIFIDIANANA – FANAMBARÀN’NY VOVONANA PAN – FFKM

📌Manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, rehefa nihaino ny rehetra sy mahita ny zava-misy dia manao izao fanambarana izao ny vovonana ho amin’ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana PAN – FFKM :

1️⃣ Tsy azo odian-tsy hita fa misedra zava-tsarotra ny zotram-pifidianana ankehitriny ary misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena izany trangan-javatra izany.

2️⃣ Manameloka amin’ny herinay rehetra sy ny fonay, ny fampiasan-kery tafahoatra amin’ny vahoaka izay tsy fahavalo fa mpiray tanindrazana.

3️⃣ Manameloka ny fampihorohoroana sy ny fampitahorana ary ny fisamborana tsy ara-dalàna.

4️⃣ Mahatsapa ihany koa fa tsy mbola tomombana ny fepetra rehetra hirosoana amin’ny fifidianana madio, mangarahara, milamina, ary eken’ny rehetra.

5️⃣ Manamafy ny antso nataon-dRamatoa filohan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny vondrona iraisam-pirenena, mba tsy hialangalana fotsiny fa handray ny andraikitra manandrify azy ireo.

6️⃣ Manameloka ny fisamborana ny solombavambahoaka izay filohan’ny vondrona parlemantera iray, mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana ka tsy nandalo teo anivon’ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena.

7️⃣ Miantso ny fifanakalozan-kevitra sy dinika eo amin’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana.

8️⃣ Maneho ny mbola fahavononana ny vovonana hanohy ny ezaka hisian’ny fitoniana sy ny tsy hisian’ny korontana ateraky ny disadisa nohon’ny zotram-pifidianana tsy tomombana eto amin’ny firenena.

✅Noho ireo voalaza rehetra eo ambony ireo, ny vovonana ho amin’ny fifampidinihana sy fanelanelanana dia :

1️⃣ Manamafy fa ny fepetra takiana sy ilaina amin’ny fifdianana mifanaraka amin’ny lalàna, ny mangarahara, andraisan’nny rehetra anjara ary eken’ny rehetra, manaja ihany koa ny fenitra iraisam-pirenena, dia tsy feno ankehitriny mba hahafahana miroso amin’ny fididianana ho filoham-pirenena amin’ny 16 Novambra 2023.

2️⃣ Manambara fa tokony haato ny zotram-pifidianana na “suspension du processus électoral” ary tokony hamerina hamaritra ny fampiharana ny zotram-pifidianana, mba hifanaraka amin’ny lamina iraisam-pirenena araka ny torolalana napetraky ny SADEC sy ny Vondrona Eoropena sy ny fitsirihana ny lisi-pifidianana na “audit du fichier électoral”.

3️⃣ Miantso ny fampiatoana ny fampielezan-kevitra rehetra sy ny fidinana an-dalambe manomboka izao mba hahafahana miroso am-pilaminana amin’ny fitadiavana ny vahaolana ankatoavin’ny rehetra.

4️⃣ Mampahatsiahy fa adidy tsy azo ihodivirana ny fampiharana ara-bakiteny ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona, indrindra ny rijan-dalàna mifehy ny fifidianana na ny “Code électoral”.

5️⃣ Miantso ny mpitandro filaminana hanao ny asany ara-pamendrehana sy amin’ny fanajàna tanteraka ny ara-dalàna.Handray fepetra araka ny tokony ho izy sy mifanaraka amin”ny tanjona aminn’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.

6️⃣ Miantso ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony mba hampanankery izao fanambarana izao.

Aoka mba hitondra am-bavaka hatrany ny firenena isika rehetra.

Natao teto Antananarivo,
Alakamisy 09Novambra 2023.

📌Miantso sy manasa antsika herivelona rehetra, mpisehatra politika, fiarahamonim-pirenena , tanora, vehivavy, ny raiamandreny ara-drazana , ny tafika, ny silamo sns.. izay vonona hifanome tanana amin’ny fikatsahana hampisy ny fahamarinana sy ny fitoniana eto amin’ny firenentsika, ary manasa anareo kandida ho filohampirenena 13 mirahalahy ho tonga hanatrika ny fihaonambe izay hataontsika rahampitso zoma 10 Novambra 2023 amin’ny 9ora maraina, miandry izay sosokevitra avy amintsika , raisina daholo izay sosokevitra rehetra ka ambara rehefa mifarana ny fotoana.

Razanamahasoa Christine – PAN sy ny Reverend Docteur Irako Andriamahazosoa Ammi FFKM.