Zandary sy « gros bras », patrô iray ihany ireo

Lanzelo

Mody nentin’ny zandary teny Fiadanana ireo « gros bras » tratra nanakorontana ny Hetsika Fotsy, izay nanomboka niharan’ny fitsarambahoaka. Fiarovana azy ireo no tanjona fa tsy ny hanaovana fanadihadiana sy fandalovana fitsarana velively, toy ny fanaovan’izy ireo ny olontsotra maneho hevitra am-pilaminana.

Fotoany vitsy fotsiny taorian’ny nahatongavana tao amin’ny toby izy ireo dia nosoloina akanjo ary navoaka an’tsokosoko avy tany ambadika. Saingy tratran’ny mpanao gazety ny firaisana tsikombakomba.

Araka izany dia hita sy tsapa fa iray ihany ireo mpibaiko zandary sy « gros bras ». Ary ny olompirenena tsotra maneho ny heviny am-pilaminana mitsipaka izao fitondrana jiolahimboto izao dia anaovana fitsaràna maika dia gadraina.

Tsy maintsy misy farany io! Hiray hina ny vahoaka hamongotra ireo fahavalompirenena izay avy ato anatin’i Madagasikara ihany.