Manamboninahitra foloalindahy sy polisy – Tonga ny fotoana hanaovana “action”

Ny Valosoa

Araka ny fanambarana niparitaka tamin’ny facebook hatramin’ny omaly: nisy indray manamboninahitra amin’ny foloalindahy sy polisy nanao fanambarana maika. Tonga ny fotoana hanaovana “action” hoy izy ireo :

“Marina fa nifanaiky isika ny hiandry ny fanapahan-kevitra ara-politika tarihan’i PAN sy ny Vondrona iraisam-pirenena, sao mba hamaha olana. Tsy manakana ny hidirantsika amin’ny dingana manaraka anefa ny zava-nitranga androany ry Zalahy.

1/ Satria, manoloana ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka malagasy an-tanampolo, ka nampiasana fitaovam-piadiana, nahatonga faharatrana mafy, mety hitarika amin’ny fahafatesana. Ny fisiana balle, na “arme de guerre” manoloana ireo vahoaka malagasy sy ireo candidats izay mety ho filoham-pirenena malagasy, dia manamarina ny famonoana ny malagasy sy fikasana hamono candidat. Efa niala nenina sy nanome chance ny commandement isika ry zalah, afaka adidy isika, mikiakiaka ny vahoaka. Koa miantso antsika namana, Tafika, zandary, Polisy izay efa samy mahalala ny toerana sy ny zavatra hatao avy. Aoka hanatan-teraka ireo consignes efa nifanomezana isika.

2/ Antso sy baiko, miverena miandry camp daholo isika.

3/ efa nolazaina isika, hoe zarao ny indemnité, fa aoka samy tsy hisy hivoaka intsony, raha resaka M.O. ataon’ny zandary manana toetrana Jiolahimboto, mba hisorohana ny fifandonana amintsika samy isika izay mbola mitana ny éthique et déontologie ny Miaramila.

4/ ireo izay efa voantendry hamonjy ny états-major ny Tafika, ny zandary, dia aoka hifampiantso, ka samy hamonjy izany araka ny fandaminana nifanomezana. Tsy misy kiafinafina intsony ity. Tsarovy fa manao mety ho maty, tsy manao ho faty ihany, fa tsara kokoa ny ho faty ho an’ny Taranaka. Tonga ny fotoana hanaovana ny “action” ry malagasy, ka mila ny fiaraha-mientana amintsika olom-pirenena izay, fa ny 1 no tonga 2, ny 2 tonga 3… “izay mivadika ketrakila”, ny tatara no hitsara.

Ho an’ny Tanindrazana.