Filohan’ny Antenimierampirenena sy FFKM – Andrasana anio ny fanambarana iombonana amin’ny fivoriana miaraka amin’ny kandidà

Isambilo

Andrasana anio ny fanambarana iombonana mahakasika ny fandaminana ny raharaham-pirenena, amin’ny fivoriana tarihan’ny filohan’ny Antenimieramlpirenena Razanamahasoa Christine, miaraka amin’ny filoham-piangoinana ao amin’ny FFKM, ireo ray aman-dreny ara-drazana, ireo olobe eto amin’ny firenena, … miaraka amin’ireo kandidà 13 amin’ny fifidianana filohampirenena, na ny solontenany. Tsy nanatrika sy tsy nandefa solontena tamin’izany kosa ny kandidà Andry Rajoelina, sy ny kandidà Raderanirina.

Tao aorian’ny fihaonana omaly, zava-dehibe ny fihaonana toy izao hoy ny solontenan’ny vondron’ny kandidà, izay tsy namboraka ny antsipirian’ny dinika. Nanamafy ihany ko aizy ireo mialohan’izany, fa tsy ekena ny fampiasan-kery ataon’ny mpitandro ny filaminana. Nanamafy izany koa ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christrine ary nilaza, fa tsy ara-dalàna ny nisamborana ny depiote Fetra mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena raha tsy mahazo alalana amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny ao amin’ny birao maharitr’ity Andrimpanjakana ity.