Sarotra ny anatanterahana fifidianana amin’izao toe-draharaha izao

Andry Tsiavalona

Tonga eo amin’ny kihon-dàlana iray tsy azo iverenana intsony ny toe-draharaha politika eto amin’ny Firenena. Aty Madagasikara daholo indray ny mason’izao tontolo izao. Niaraha nahalala fa maro dia maro ny fanambarana nataon’ireo fikambanana isan-tokony teto amin’ny Firenena izay manameloka izao fihetsika ataon’ny eo amin’ny fitondrana manoloana ny Hetsika Fotsy tarihan’ny Vondron’ny Kandidà izao. Angamba mety ho sarotra ho an’ireo fikambanana ireo ny hidina hanatevin-daharana ny hetsika satria tsy mbola hita teny an-kianja aloha izy ireo.

Niaraha niaina ny niakaran’ireo sendika teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey raha nanohana ny hetsiky ny depiote 73 ny volana aprily 2018. Samy manameloka ny zava-misy ara-politika izao avokoa ny sendika, toy ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra (Seces), sy ny Sendikan’ny mpampianatra eny ambaratonga fototra ary ny Randrana Sendika sns,… Na izany na tsy izany dia samy manao ezaka ihany koa ny fikambanana samihafa ny hisian’ny fikaonan-doham-pirenena handraisan’ny hery velona rehetra anjara manoloana ny fisisihan’ny fitondran’ny zaza navelan’i Andry Nirina Rajoelina hanao fifidianana, izay sarotra ny fanatanterahana azy raha amin’izao toe-draharaha iainana amin’izao fotoana izao. Efa niantso ny fanatanterahana izany fikaonandoha izany ny Fivondronana’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ary raha ny tranga omaly alarobia dia nampiantson’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny Vondron’ny Kandidà 10 niaraka tamin’ireo manamboninahitra jeneraly misotro rorono sy Praiminisitra teo aloha ary profesora vitsivitsy.

Raha ny zavatra niainana teto amin’ny Firenena momba ny fandaminana ny savorovoro politika dia samy hafa ny làlana nizorana tamin’izy ireny. Amin’ny ankapobeny dia nitondra fitoniana sy niafara tamin’ny fifandaminana sy fifanarahana ihany ireo fikaonan-doha ireo. Ny taona 1991 dia nisy krizy politika henjana dia henjana teto Madagasikara satria nisy ny aina nafoy ary niaraha-niaina ny naneren’ny jeneraly minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’izany fotoana izany, ireo mpifanandrina ara-politika nivory nikaton-trano teny amin’ny Hôtel Panorama ary tsy nahazo nivoaka tao raha tsy nahita marimaritra niraisana. Ny taona 2002 dia nifanolanana ny voka-pifidianana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay nanambara fa nisy ny fihodinana faharoa. Niaraha-nahatadidy fa tsy vita teto an-toerana ny fandaminana, ka voatery tany amin’ny firenena afrikana vao nilamina ny toe-draharaha. Torak’izany koa tamin’ny taona 2009 taorian’ny fanonganam-pajakana, ka firenena roa na telo no notetezina vao azo lazaina fa nilamindamina ny toe-draharaha ary nivoaka tamin’izany ny Tondro Zotra teo amin’ny fitantanana ny Firenena. Tsy nampihatra izany anefa Andry Nirina Rajoelina nandritra ny tetezamita izay naharitra dimy taona. Tsy misy afaka mandà fa nanjaka tokana Andry Nirina Rajoelina sy ny niaradia taminy, ka ireo mba sahy nanohitra ny fitondrany dia nodarohana sy nandefasana baomba mandatsa-dranomaso ihany koa.

Amin’izao fotoana mialohan’ny fifidianana sy fanaovana fampielezan-kevitra izao dia mitatao eto amin’ny Firenena ny loza satria mahatsapa ny rehetra fa tsy ara-dalàna sy tsy manara-penitra ny fanatanterahana izao fifidianana izao kanefa dia misisika sy manao amboletra ny mpitondra tsy ara-dalàna mitantana ny Firenena. Nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimirampirenena ny Vondron’ny Kandidà 10 omaly atoandro nialohan’ny nandehanany teny anoloan’ny Kianjaben’i Mahamasina nihaona tamin’ireo vahoaka tia Tanindrazana. Tsy mbola nisy nipîka moa izay vokatry ny dinika teny Tsimbazaza izany fa miandry. Azo inoana kosa fa tohin’ny fitadiavana vahaolana momba izao krizy politika misy eto amin’ny Firenena izao no anton’ny fihaonana. Tsy tonga anefa ireo kandidà 2 nisafidy ny hizotra any amin’ny fifidianana.

Tsy voalohany izao fizirizirina tsy manaiky fifandaminana izao ka heverina fa raha olona iray na roa no tsy te-hihavana sy tsy te-hifandamina dia efa afaka adidy ireo raiaman-dreny ara-panahy sy ny Filohana andrim-panjakana ary hery velona isan-tokony, ka handray andraikitra mifanandrify amin’izany. Tsy azo ekena intsony koa raha mbola ny vondrona iraisam-pirenena indray no ekena hitondra vahaolana satria fanitsakitsahana ny Fiandrianam-pirenena izany. “Izay tsy miady hono olombodo fa izay to-fo mpamosavy”. Azo lazaina fa tsy mamosavy ny vahoaka Malagasy fotsiny ireto kandidà tsy mety hifampidinika ireto fa tena mpamadika Tanindrazana ihany koa.