Zandary sy Polisy sasany – Lasa baribarianina, miàla amin’ny maha mpitandro filaminana azy

Sôh’son

Rehefa tsy manao ny asa maha mpitandro filaminana azy intsony ny zandary sy polisy dia tsisy intsony ny ilàna azy fa lasa mpihetraketraka? Niaraha-nahita ny habibiana nataon’izy ireo ny Sabotsy 04 Novambra lasa teo nanodidina, sy indrindra ivelan’ ny kianjan’ny 13 Mey. Ankoatra ny fandefasana gazy lakrimôzena nanempotra olom-pirenena maro na nanao hetsika na tsia hatramin’ny zaza menavava, na teny an-dalambe na hatrany an-tranon’olona, nanimba fananan’olona, dia nisy koa ireo herisetra samihafa nataon’izy ireo. Nisy fisavana sakaosin’izay nifanena taminy, niaraka tamin’ny daroka izay voasava, ny fisavana sy fanapotehana finday, ny fandroahan’olona tsy teny an-tsisin-dalambe rehetra, ny fanenjehana hatrany anelakelan-trano sy fisavana trano fonenan’olona.

Lasa lavitra ny fihetsika mamohehitra feno habibiana nataon’ireo zandary sy polisy ary tsy mendrika intsony mihitsy antsoina hoe mpitandro filaminana. Efa fihetsika jiolahy mpanendaka sy dahalo no nataon’izy ireo. Indraindray aza ny mpanendaka tsy mikasi-tanana fa maka na manendaka izay ilainy amin’ilay olona tratrany fotsiny dia lasa izy. Izany hoe mihoatra ireo olon-dratsy izay fahavalom-bahoaka mihitsy no nataon’izy ireo ny sabotsy lasa iny. Olona mandeha mody maka sisin’arabe, tsy hanaraka fihetsiketsehana akory fa nandeha am-pilaminana avy dia ivoahana amin’ny fiara dia tifirina amin’ny fitaovana ny masony ho sempotra. Habibiana tsotra izao no natao. Efa tsy izy intsony izany ary tsy azo ekena intsony ho mpitandro filaminana no iantsoana azy ireo, fa tokony ampisalorana anarana hafa mifanalavitra amin’izany. Efa fihetsika baribariana tanteraka no atao, ary firenena malagasy mihitsy no alam-baraka amin’ny any ivelany.

Tsy misy manao ireny fihetsika ireny raha mbola zandary sy polisy any ivelany any, fa eto Madagasikara irery ihany no ahitana an’izany. Izany no vokatry ny fanjakan’i Baroa nampitoerin’ny HCC amin’izao fotoana izao. Marihina ihany anefa, fa tsy ireo zandary rehetra akory no nanao izay fihetsika baribariana izay, fa ireo andiana zandary na misalotra fanamiana zandary nokaramaina vola ninia nikimpy hanosihosy ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny mila ampanjakaina eto amin’ity firenena ity. Kanefa hoy ny Ntaolo malagasy izay hoe: fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Ka mila miavaka sy manavaka ny tenany tsy hifangaro amin’ireo ratsy mandoto ny maha izy azy ny zandary sy polisy malagasy izy ireo, fa tena fotoanany izao, mba tsy ataon’ny vahoaka anaty kitapo iray.