Manamboninahitra amperinasa sasany – Ampy izay, ny “fitongilanana fanindrahindrana olona ao amin’ny Foloalindahy”

Ny Valosoa

Nisy indray ny fanambarana faha-2, nataon’ireo manamboninahitra sasany amperinasa, ao anivon’ny Foloalindahy. Misy fitongilanana fanindrahindrana olona, na “Culte de personnalité dans les Forces Armées” ankehitriny hoy izy ireo :

“Voalohany, eto dia samy miaramila, samy nianatra, fa misy ny tena miaramila, fa misy no milaza fa “élite”, élite amin’ny manipulation, élite amin’ny corruption angamba? Raha ny resaka heno dia efa samy leo ry zalahy miaramila ireo, leo ny “culte de personnalité”, leo ny famitahan’ireo karana sy mpamatsy vola malagasy sasany ireo. Samy miteraka, samy manan-taranaka, samy te hanana zanaka mendrika sy tafita na Tafika na zandary na polisy. Ireo mahazo tombony no matahotra an’Ingahy Marc Ravalomanana, dia ny rehetra no lotoin’ireo zandary ireo, noho ny amin’ny fanimbana ny Image-ny miaramila, ka anakaramana ireo sous- officiers sasantsasany ireo, mba hamono sy hanompa, hamely Big boss amin’ny ankizy tanora malagasy zanantsika. Ampy izay e!

2/ Star, vedette amin’ny alahelon’ny hafa ianao. Tsy frère d’armes no filazana an’izany. Tsy manana niveau ny olona nanaovanao ady hevitra tamin’ny Réal TV, fa aza atao référence aminay ireny resaka tao ireny. Au contraire, ianao laozanao mampidina ny laharamboninahitra ny Miaramila malagasy, ka handeha hanao culte de personnalité tahak’ireny. Na ianao mijanona miaramila, na miala mandeha manao politique, dia afaka mifamaly amin’izay olona voadoana saina eny rehetra eny.

3/ Raha resaka crash d’hélico ohatra, dia tsotra be ny resaka: iza aminareo efadahy: Praiministra Ntsay Christian, Jeneraly MDN teo aloha 2021 Rakotonirina Léon Richard, ianao, plus ilay Pilote Vazah inoanareo teny io, no ho afaka hiala tsy ho responsable amin’iny fianjerena hélicoptère tany Mahambo iny: Pilote efa tsy nety nisidina, niantso ny vadiny sy ny lehibeny, mba tsy hisidina intsony, noho ny andro ratsy sy ny lera efa dify. Pilote efa nilaza, fa tsy afaka ny hanidina intsony, fa hors des heures mbola mety azo hanidinana. Kanefa, dia mbola noterenareo ihany hanidina, fa tsy te hatory tao Soanierana Ivongo ianareo. Mahay météo mihoatra ny pilote ianao ry ngahy tampom-pahaizana, sa izao élite izao? Dia manabado ny pilote fa hoe Tafika ilay pilote? Ka raha tsy izany ve natao sy nalainareo ho fanananareo ilay avion, mbola Culte de personnalité koa izany.

3/ Sao mila ampahatsiahivina kely, fa raha resaka “puissance de feux” dia ny Tafika no élite ry zalahy a! Ka handeha hahasahy ianareo hanilika Tafika amin’ny Réunion, na hanolo ny responsable ny Tafika mety hanelingelina anareo!

4/ milaza ianao, fa tsy hivaky ny Forces, iza moa no maniry an’izany, fa tsy vokatr’io fitiavam-bola tafahoatra ataonareo ao io ihany. Manginy fotsiny io resaka favoritisme, sy culte de personnalité ataonareo io: Ministre des travaux publiques avy koa ataonareo zandary, sa lany asa ny zandary, satria ny rahalahy ao amin’ny Tafika tsy misy mahay intsony, ianareo ao amin’ny Génie militaire ao ireo dondrona avy izany ? Ny chef d’État forcé-na ho zandary, sa izay ilay hoe Milice, Paramilitaire fa tsy miaramila ny zandary.

5/ Miara-maloto daholo isika forces jiaby, satria ny zandary mahay loatra, ka tsy ilaina ny police ho leader ny EMMO, omena ny zandary ny mitantana vola ny EMMO, tsy mahay mitantana ve ny police sa mba hahazahoanay faramparany? Ampy izay zalahy a!

Ho an’ny Tanindrazana.