Sinambotry ny herim-pamoretana ny kandidà Ratsietison – Na inon-kidona na inon-kihàtra, mitohy hatrany ny tolona

Andry Tsiavalona

Ny sabotsy lasa teo vao tena nanomboka ny ady amin’ny fanjanahantany tarihan’i Andry Nirina Rajoelina, frantsay, miaraka amin’ireo « gardes indigènes » gasy ka iaraha-mahalala ny famoretana tamin’ny fanipazana baomba mandatsa-dranomaso sy fisamborana olona am-polony natao tamin’ireo vahoaka mitaky ny hampiharana ireo teboka efatra momba ny tsy fanekena ny hirosoana amin’ny fifidianana ny 16 novambra 2023. Koa dia mitohy hatrany ny tolona na ho vy na ho vato, na inon-kidona na inon-kihàtra hoy ny Vondron’ireo Kandidà sy ny olom-pirenena mitaky ny fiverenana amin’ny tany tan-dalàna. Anisan’izany fitakian’ny Vondron’ny kandidà izany ny fandravana ireo rafitra miandraikitra ny fifidianana, Ceni, Hcc, sy ny fanovàna ny fitsipika mifehy ny fifidianana ary indrindra indrindra ny tsy fanekena ny maha kandidà an’i Andry Nirina Rajoelina izay nanary ny zom-pirenena malagasy satria nangataka ny zom-pirenena frantsay izy. Ny tsy kely indrindra koa dia ny fandravana ny governemanta mitanila io.

Na iza na iza Malagasy tia ny tanindrazany dia tsy hanaiky intsony ho filoham-pirenena vahiny iray toa an’i Andry Nirina Rajoelina, izay efa namahan-dalitra ny Malagasy sy namadika Tanindrazana ny taona 2018. Fototry ny olana lehibe dia ny faneken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny maha kandidà an’i Andry Nirina Rajoelina kanefa efa fatam-poko fatam-pirenena sy izao tontolo izao ny maha frantsay azy. Ny sabotsy lasa teo dia tsy azo nidirana teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey kanefa ny milisy niaraka tamin’ny herim-pamoretana dia nandrava ny vahoaka amin’ny toerana lavitra ny kianja: Ankadifotsy, Antaninandro, Andravoahangy, Isotry izay lavitra ny kianja nosalorana ho « faritra mena » indray. Ary nampiseho habibiana ireo herim-pamoretana ka nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny grenady mankarenin-tsofina (grenades assourdissantes) sy bomba mandatsa-dranomaso manaparitaka poti-by mandratra. Maro ireo fihoaram-pefy nataon’ny herim-pamoretana toy ny fanipazana baomba mandatsa-dranomaso tany antokotanin’olona tao an-tranony, nisakafo fa tsy teny an-dàlambe. Nisy koa ny fanipazana bomba mandatsa-dranomaso tamin’ny fiaran’ny kandidà, tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana, ka teo amin’ny tandrifin’ny toerana eo aloha tokony nisy azy. Tsy nionona tamin’ny fisamborana ireto iraky ny kandidà frantsay ireto fa nidaroka sy nanompa ireo olona nosamboriny. Mibaribary ihany koa ny fitanilàna ataon’ny mpibaiko ny herim-pamoretana satria nanao ny diabe tany amin’ny toerana izay tiany ny mpitafy akanjo lokom-boasary.

Ny tranga rehetra tamin’ny sabotsy dia nihoa-pefy ny mpiaro ny kandidà frantsay ary azo inoana fa izy ihany no mbola mifehy ireo rafitra rehetra mitantana ny firenena amin’izao fotoana izao. Nanaitra ihany koa etsy an-daniny ny fandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona andraikitra tamin’ny fivoriana niarahany tamin’ny FFKM sy ireo vondrona iraisam-pirenena, momba ny fitadiavana vahaolona manoloana izao krizy politika mivaivay izao. Tsy sarotra ny zavatra kinendry amin’izao hetsika izao dia ny fikaonan-dohan’ny herivelona rehetra eto amin’ny Firenena araka ny fahendrena Malagasy « Isavorivorian-kilantoana » kanefa dia miziriziry tsy hanatrika izay rehetra fampiantsoana ny kandidà frantsay Rajoelina, satria tsy azo ihodivirana fa malemy ary tsy manan-tsaina sy fomba hoentina miala amin’ny maha vazaha frantsay azy izy. Ireo mpiaro azy koa etsy an-kilany dia tsy afaka mandà ny baiko, satria raha midoboka eo ity olona arovany dia ho sahirana izy ireo eo amin’ny fiarahamonina ary dia ho tratra farany eo, satria tsy hisy hitondra azy ireo hitsoaka any ivelany rehefa tonga tokoa ny tokoa.

Tokony hieritreritra ny mpanatanteraka an-jambany ny baiko omena azy, satria tena am-pilaminana tanteraka hatrany ny hetsika tarihan’ny Vondron’ny Kandidà, ka tsy tokony hisy ny fisamborana sy fidarohana olompirenena. Amin’ny fotoana anoratana izao dia mbola mitohy ny hetsika ka any amin’ny toerana maro samihafa ireo kandidà ary araka ny vaovao voaray dia nosamborina teny Tsaralalàna ny kandidà Ratsisetison Jean Jacques. Misy koa ny fihantsiana ataon’ny andian’olona mpiaradia amin’ny mpitondra amin’ny kandidà Ratsiraka Roland ka mihogahoga hoe : « aleo handeha ny fifidianana », satria hono tsy mandeha ny tsenan’izy ireo amin’izao fotoana anaovan’ny Vondron’ny Kandidà Hetsika Fotsy izao. Samy manana ny heviny ny olona tsirairay avy kanefa nampanan-karena azy ireo ve ny varotra nataony tamin’izay dimy taona lasa izay? Tsy misy matahotra fifidianana fa tsy amin’izao fepetra (conditions) iainana sy tsy fifampitokisana mahazo laka amin’izao fotoana izao. Na izany na tsy izany, tsy azo ekena kosa raha vazaha frantsay no anisan’ny kandidà ho fidiana filoham-pirenena.