TSY HISY FIFIDIANANA ETO

Tsy hisy fifidianana eto n’inona n’inona holazaina,
Raha izay mbola herisetra sy habibiana no ampiasaina.
Tsy izany velively no hampangina ny vahoaka,
Efa feno ny hatezerany ka manomboka mipoaka!

Tsy hisy fifidianana eto n’inona n’inona holazaina,
Raha misy kandidà potehina sy ankahalaina.
Tsy izany velively no hampisy fitoniana,
Fa vao mainka hampitombo ny ady sy fifandrafiana!

Tsy hisy fifidianana eto n’inona n’inona hambara,
Raha fitanilàna hatrany no ataon’ireo mpitsara,
Fa mitady loza ireo no sady hahita raharaha
Raha toa mikiry ny hampandany ity ilay kandidà vazaha!

Tsy hisy fifidianana eto n’inona n’inona hambara,
Raha vazaha no mbola asesika sady avela handray anjara.
Tsisy resaka amboamboarina, ampiharo ny lalàna,
Tsy vazaha fa malagasy no hany ekena handray fiaingàna!

TSIMIMALO (07-11-23)