“Gros bras”-n’ny fitondrana biby maro loha “Ntsay – Risara Baomba” – Manitsaka an-tampon-doha ny hasin’ny tafika

Lanzelo

Nanomboka omaly faha-7 novambra 2023 dia niditra tanteraka ao anaty ny tsy ara-dalàna eo amin’ny lafiny fiarovampirenena ity fitondrana biby maro loha “Ntsay – Risara Baomba” ity. Voahitsaka an-tampondoha ny Hasina voninahitr’izany tafika izany. Olontsotra kilasiana “gros bras” no mamoritra, mamolaka, mibeda, manalika ny olompirenena Malagasy sahy mitaky ny zony.

Omaly tokoa no nikasa hiditra teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mai indray ny “collectif des candidats” sy ireo mpiaradia aminy mitaky ny fanadiovana ny tontolon’ny fifidianana mba ho tena fifidianana madio, managarahara ary eken’ny rehetra. Rehefa nivohy izany teny rehetra eny nandritra ny iray volana mahery amin’ny toerana maro samihafa izy ireo dia tamin’ny sabotsy teo no nikasa hamarana ny tolona teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mai. Kinanjo ireny hitan’ny rehetra ireny ny habibiana, famoretana, fisamborana, fandratrana nataon’ireto “gros bras” ireto, ka voatery niemotra ny mpitolona, ary namerina izany indray ny alatsinainy.

Raha toa ka nalalaka ny fidirana teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mai io alatsinainy maraina io, ary tsikaritra fa tafiditra teny moa ny fiaran’ny kandidà Marc Ravalomanana, dia indro fa nanomboka ny fisakanana teny Antanimena, Ankazomanga sy ny manodidina. Fantatra izao fa nahazo baiko ireo mpitandro filaminana tao amin’ny OMC (Organe Mixte de Conception), fitambaran’ny zandary, polisy sy miaramila, hiala ny toerana ary hamela ny sehatra ho an’ireo “gros bras”.

Hita amin’izany vonona amin’ny fomba rehetra ny tambazotran-jiolahy misy an’i Christian Ntsay, Risara Baomba, Andry Nirina Rajoelina ampiseho fa tsy mila izany fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra izany izy ireo. Jadona, tery vay manta, fihatsarambelatsihy, tombontsoan’olombitsy, fanagejana ny olompirenena, fanjanahana amin’ny hendriny vaovao, izany no endrika ezahan’ity tambazotra ity handetehana ny Malagasy.

Mazava tahaka ny tafika ao andrefan-tanàna izany izao fa hifandona ny herin’ny tambazotran’ireo jiolahimboto sy ny herin’ny olompirenena vonona hiady ho an’ny tany tan-dalàna sy ny taranaka, tarihan’ny “collectif des candidats”. Manoloana izany dia ilaina ny famondronana ny hery rehetra hanoherana sy hamongorana izao tambazotra izao. Tsy azo ekena ny fanitsakitsahana ny hasin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Araka ny filazan’ireo kandidà: “Mitohy ny tolona”. “No pain, no gain”. Ao anaty ny mangidy no ho ahitan’ny vahoaka Malagasy ny mamy.