RY MPITADY VONINAHITRA !

Ny fitiavam-boninahitra, izay no lehibe indrindra,
Sady ho anareo mpitondra, lasa aretina mifindra?
Dia indreo ‘nareo rehetra , io no tena ifandrombahana,
Ka mampiasa fomba ratsy nolaroina famitahana?

Dia indreny iretsy hafa no matetika somparana,
Ary ireo vahoaka koa ovàna ho tohatra fiakarana.
Nefa nony injay ‘nareo miteronterona eny ambony,
Dia hadino hatrany ireny, tsy tsarovana intsony?

Hijanona eo mandrakizay no tena tanjona kendrena,
Nefa tsy ao an-tsaina intsony ny hampandroso firenena?
Voninahitra sy dera no hany sisa mba mibahana,
Ary ny lehibe indrindra, niova hoe « ny famitahana »?

…Aleonay ihany ry mpitondra toa anay ety ambany,
Manan-tsaina mba milamina sy mitonitony hatrany,
Toy izay ilay taitai-dava toa anareo ekipam-poza,
F’isanandro vaky izao dia tena hodidinin-doza!

IRINA HO TAFITA (07-11-23)