Kianjan’ny 13 mey sy Araben’ny Fahaleovantena – Lasa Araben’ny famoretana sy fanagejana vahoaka

Sôh’son

Nosamborin’ny herim-pamoretana misy amin’izao fotoana omaly, teny amin’ny manodidina ny kianjan’ny 13 mey ny kandidà Jean Jacques Ratsietison. Ankoatra izany, raha halalinina sy hadihadiana ny zava-misy, nohitsakitsahina sy nofafan-dry Andry Rajoelina sy ny forongony ny maha-Araben’ny Fahaleovantena, ny Araben’ny Fahaleovantena eto afovoan-tanànan’Antananarivo. Minia mikimpy tanteraka sy sahy manosihosy am-paladia ny atao hoe « Araben’ny Fahaleovantena » ankehitriny i Ntsay Christian sy ireo minisitra miaraka aminy, ny Jeneraly Bômba sy ireo senatera miara-dia aminy, ny prefet-n’Antananarivo amin’izao fotoana izao, ary indrindra i Andry Rajoelina. Tsy misy dikany amin’izy intsony izany hoe “Araben’ny Fahaleovantena” izany, izay lalana mamakivaky an’Analakely sy mandalo ny Kianjan’ny 13 Mey. Tsy te hahalala ny tantaram-pirenena akory momba izany izy ireo, fa ny kiribiby hanao hery famoretana ny vahoaka tsy misy afa-tsy izay no hany ao an-tsainy.

Hery famoretana ny vahoaka tsy ho afaka hidina an-dalambe ka haneho hevitra malalaka hidradradradra sy hiantsoantso mafy ny fitakiana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, fitakiana fanadiovana ny tokotanim-pifidianana aloha mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana no ampiasain’izy ireo. Ary nohidiana tanteraka tsy ho azo idiran’ny vahoaka ny Kianjan’ny 13 Mey sy ny manodidina. Izany hoe tsy “Araben’ny Fahaleovantena” intsony izany iny faritra iny, fa “Araben’ny famoretana sy fanagejana vahoaka”. Tsy natao hoan’izay mitaky fahamarinana hanjaka eto sy izay mitaky ny hampanjakana ny rariny sy hitsiny velively intsony ilay nantsoina hoe “Araben’ny fahaleovantena” nanomboka tamin’ny taona 1960. Nokosehina ny tantara. Tsy tokony ho adinoina velively ny hetsiky ry Jean Ralaimongo tamin’ny 1929 teo Andohan’Analakely, ary avy eo rehefa nahita ny fanambanian’ny mpanjanatany frantsay ny Malagasy dia nirohotra ny vahoaka Malagasy nilahatra avy eny ary nidina namakivaky an’Analakely sy iny arabe: Araben’ny fahaleovantena iny. Tamin’izany no niantsoantson’ny vahoaka mafy ny hoe “Fahaleovantena! Fahaleovantena”. Tsy nisy miaramila mpanjanatany frantsay nandrara azy ireo tamin’izany, nefa ao anaty fotoanan’ny fanjanahantany tanteraka tamin’io fotoana io. Misy ny sarin-dRalaimongo sy ny tsangambatony eo Analakely eo.

Izany hoe tokony ho noesorin’ireo mpanao hery famoretana ny vahoaka ankehitriny ireo izany, satria zary toa maneso sy manaraby mihitsy izany amin’ny fihetsika ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao. Fa mety ho hataony tokoa izany aoriana kely ao, satria fomba fiasany ny manova ny tantaram-pirenena toy ny nataony teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Fomba fiasan’ny saribakoly frantsay tiany apetraka eto hitondra firenena avokoa izany rehetra izany. Ny “Araben’ny fahaleovantena” natao hanehoana tanteraka fa mahaleotena i Madagasikara ary manana fahafahana sy fahalalahana tanteraka ny vahoaka Malagasy. Mifanohitra amin’izany anefa no mitranga amin’izao fotoana izao.