Seces Antananarivo – Tsy avela hoenti-bazaha i Madagasikara satria tany tan-dalàna

Nangonin’Isambilo

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny faran’ny herinandro teo ny Seces Antananarivo, na ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka, sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Milaza izy ireo fa: ’’miara-ory sy mampionona ireo namoy havana, noho ny hetraketraka niseho tamin’ny sabotsy teo teny amin’ny manodidina an’Analakely ny SECES ary mirary fahasitranana ho an’ireo naratra vokatry ny habibiana nataon’ireo fahavalom-pirenena. Miantso ny vahoaka mba ho tony, sy hanaja ny fiandrianam-pirenena ary ny soatoavina malagasy, miantso ny manam-panahy rehetra koa handray andraikitra satria latsaka ankaterena ny firenena. Tsy avela hoentim-bazaha i Madagasikara satria tany tan-dalàna.’’

Efa maro ireo naneho hevitra momba ny mbola tsy maha-mety ny hanatanterahana fifidianana ho avy io, sy ny tsy fanekena intsony ny hitondran’ny ninia naka zom-pirenena Frantsay toa an-dRajoelina, an’i Madagasikara. Tsy vitsy ireo mpanao politika efa nilaza ny heviny, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana samy hafa, ny mpampianatra, ny sendikà,… Andrasana kosa ny fanamafisan’ny mpitsara an’izany sy ny Foloalindahy, amin’izao tsy fanarahan-dalàna maro misy izao, ka mba ho fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra no hatao, ao aorian’ny fifampidinihana izay hita fa tsy ho azo ihodivirana tsy ho ela.