Monja Roindefo – Manameloka ny fandrahonana ireo Antandroy eto Antananarivo

Niaina

Melohin’ny antoko Monima sy ny filoha nasionaliny Monja Roindefo ny fandrahonana ataon’ny mpomba an-dRajoelina, ireo Antandroy monina sy miasa eto an-drenivohitra. Misy ny fanambarana nataon’ny ao amin’ity antoko ity mahakasika izay: “manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Tandindonin-doza ny firenena noho ny fividianana ny safidim-bahoaka. Ahiana ny hisian’ny ady an-trano, satria tsy hanaiky fifidianana maloto ny vahoaka malagasy. Tsy afaka hitazam-potsiny i Monja Roindefo Praiminisitra teo aloha, izay hitondra ny anjara birikiny hisorohana izany, amin’ny fitandroana ny firaisam-pirenena, ny fihavanana sy ny fiandrianam-pirenena. Melohina ny fandrahonana ireo Antandroy eto Antananarivo ataona manam-boninahitra vitsivitsy, ary ny fanosoram-potaka an’i Monja Roindefo sy ny antoko MONIMA”. Anisan’ny manatevina ny hetsiky ny vondron’ireo kandidà amin’izao fotoana ny antoko Monima sy ny filohany Monja Roindefo, ka mitombo ihany ny tahotry ny fitondrana sy ny mpomba ny kandidà Rajoelina.