Fifidianana filohampirenena – Tsapa fa mikatso ny zotram-pifidianana

Andry Tsiavalona

12 andro sisa dia ho tonga ilay daty 16 novambra 2023 teren’ny fitondrana hanaovana ny fiifidianana ho Filoham-pirenena, na dia maro aza ny fanambarana avy amin’ny hery velona isan-tokony momba ny tsy maintsy hanemorana izany.

Iaraha-mahalala ny fitakian’ny Vondron’ny Kandidà 10 momba ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana izany fifidianana izany dia ny firafitry ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), sy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni) ary ny fisian’ny governemanta mitanila koa. Tsiahivina ny hevitra (Avis) navoakan’ny HCC momba ny fanemorana ny daty, izay tsy mitombona satria naratra noho ny fitifirana nataon’ny zandary ny kandidà laharana faha-7, Raobelina Andry, izay tsy mbola afaka miverina an-tanindrazana raha tsy any amin’ny volana desambra 2023, kanefa dia tsy noraharahian’ny mpitondra izany. Efa fanilihana an-kolaka ity kandidà ity sady fanitsakitsahana ny Lalàna manan-kery noho ny hamehana io. Tsy takona hafenina ihany koa ny fisian’ny fokontany sy biraom-pifidianana matoatoa (fantômes) ary ny fampanaovana sonia olompirenena ny lisitry ny mpifidy rehefa maka ny kara-pifidianana. Mazava ho azy fa izany no hanaovana ny fitanana an-tsoratra aorian’ny fandatsaham-bato. Araka izany dia tsy misy mahatoky ireto rafitra roa misahana ny fifidianana ireto, ka izany no anton’ny fitakiana ny hanadiovana ny manodidina ny fifidianana ka anisan’izany ny fanoloana ireo mpitsara ny lalao.

Hita sy tsapa ihany koa amin’izao fotoana fa mikatso izay zotram-pifidianana izay na nilaza aza ny CENI fa efa voazara avokoa izao ny kara-pifidianana rehetra, satria na tabilao tokony hasian’ireo kandidà ny afisiny aza ankehitriny dia maro no tsy misy na inona na inona, mba tsy ilazana hoe tsy misy afisina kandidà mihitsy. Amin’ny natokana ho an’ny mpikarakara fifidianana aza amin’izany toerana izany dia tsy misy na inona na inona ihany koa, midika izany fa mikatso ny zotram-pifidianana amin’ity fifidianana kasaina hatao afaka 12 andro ity, tsy ho azo ihodirana ny fanemorana.

Ankoatra izany, tsy azo ekena satria tsy ara-dalàna ny nametrahana ny Jeneraly Ravalomanana Richard ho amin’ny toerana maha filoham-panjakana sy ny fanosorana azy hisahana ny fiarovam-pirenena sy ny filaminana. Tsy ara-dalàna ihany koa ny fisian’ny rafitra mifanindry an-dàlana amin’ity ao amin’ny Antenimieran-doholona ity dia ny governemanta, satria roa loha araka izany ny filoham-panjakana mpisolo toerana izay tsy fahita maneran-tany ary tsy mbola nisy teto Madagasikara nandritra ny 60 taona.

Ny tena zava-doza tsy azo ekena mihitsy dia ny tsy fanajàna ny Lalàmpanorenana sy fanitsakitsahana ny Fiandrianam-pirenena tamin’ny naneken’ny HCC ny maha kandidà an’i Andry Nirina Rajoelina, kanefa olona mizaka ny zom-pirenena frantsay ary nanary ny maha Malagasy azy noho ny fangatahany. Araka izany dia fanonganam-pajakana no azo andikàna izao di-doha ataon’ny fitondrana izao. Tsy maintsy natrehan’ny Vondron’ny Kandidà ny fisarihana ny laharana, satria izay no manaporofo fa tsy matahotra fifidianana izy ireo kanefa kosa rehefa tsy nahazo valiny ireo fitoriana maro nataon’ny Vondron’ny Kandidà teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia voatery nanao ny Hetsika Fotsy izy ireo. Nataon’izao fitondrana an-dàlam-pialan’aina izay fomba rehetra nisakanana ny hetsika kanefa dia nampitombo ny fahatsapan’ny olompirenena manerana ny Faritra maro ny kitoatoa sy ny tsy fanjarian’izao fitondrana izao eo amin’ny fitantanana ny Firenena.

Miziriziry ary mitady ny hevitra rehetra amin’ny maha “stratezy” azy Andry Nirina Rajoelina hahatanteraka ny fifidianana kanefa na ireo mpanaradia azy, minisitra “coach”, depiote, olom-boatendry, aza dia efa mahita fa tsy ho tafavoaka Andry Nirina Rajoelina. Ambonin’izany ireo olona taterina amin’ny fiara vaventy sy zaraina vola ary akanjo, ka lazaina fa mbola resy lahatra tamin’ny zava-bitany ary mbola ampanantenaina fa hahavita betsaka izy amin’ny ho avy dia efa miraviravy tànana. Araka ny fantatra anefa dia hijery lanonana bôjo sy handihy no hahatongavan’ny olona, indrindra ny tanora, fa tsy hihaino izay kabary sy rediredin’i Andry Nirina Rajoelina. Atao avokoa ny sakantsakana rehetra tsy hahatanteraka ny Hetsika Fotsy ary tsy fantatry ny mpanaradia an’i Andry Nirina Rajoelina fa arakaraky ny hanaovany izany no mampitombo andro aman’alina ny olompirenena Malagasy manohana ny fitakian’ny Vondron’ny Kandidà 10. Manaporofo izany firaviravizan-tànan’ny mpiaradia amin’i Andry Nirina Rajoelina izany ny tsy fisian’ny afisiny eny amin’ny takelaka ofisialy fametrahana izany, fa eny amin’ny fihalofana fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka no rakotra.

Tsy manaiky ny hisian’ny fifidianana amin’izao fomba fanomanana sy ny rafitra mikarakara azy izao ny ankamaroan’ny Malagasy tia Tanindrazana, ka ho anareo IRMAR: “ny manantena tsy misy, hono, no sarotra, fa ny mamoy mora foana”. Hafoizo i Andry Nirina Rajoelina, satria tsy misy Malagasy hanaiky vazaha frantsay hitantana an’i Madagasikara izany intsony, ka mbola miandry ny fotoana maha mety azy sy hifanarahan’ny rehetra izany fifidianana izany. Manaova “hendry mody voky” ry IRMAR fa “aza manesika ihany” sao ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tànana.