Depiote Naivo Raholdina – Manao amboletra resaka tany indray

Beharo

Manao amboletra resaka tany indray, ny depiote Naivo Raholdina ao amin’ny Boriboritany faha-5. Efa ela tokoa no nandrenesana, fa misy anjara tanin’olona anaovan-dry Raholdina amboletra, ka rehefa tsy azony dia anaovany fitadiavana indray raha misy fitarainana voarainy momba izany ady tany izany, na fakana anjara tanin’olona amin’ny tsy rariny, izay voalaza fa ataony amin’ny anaran’ny fitondrana ka manahirana ny maro.

Nisy toe-draharaha toy izany tamin’ity herinandro ity teny Tsarahonenana teny, izay nolazainy fa tany ilain’ny mpitondra fanjakana, hanaovana “projet presidentiel”, hanatanterahana ny fenitra tsy rarin-dRajoelina. Rajoelina anefa efa tsy filoha intsony. Tany manan-tompo io tany eny Tsarahonenana io, ary efa ara-dalàna amin’ny taratasy araka ny voalazan’ireo mpandova sy mpampiasa eny amin’ny Boriboritany faha-5. Ny depiote Fetra Ralambozafimbololona dia nanamafy, fa fanamparam-pahefana tsotra izao io ataon-dRaholdina io hoy izy, ny lehiben’ny fokontany eny Andraisoro sy Tsarahonenana no asainy mitory nefa izy Naivo Raholdina IRD dia ao ambadika hatrany, ary paika sy tetika fanaony amin’izay tsy mitovy firehana aminy ny sehon-javatra toy izany, ka ny Assistant Parlementaire ny depiote Fetra tamin’ity indray mitoraka ity no nosamborina tratra ny fanamparam-pahefana sy ny antsojain’ny depiote Raholdina.

Sotasota sy filam-boatsiary ny toy izao hoy hatrany ny depiote Fetra R., ary efa fanaony ka tsara arahi-maso akaiky ihany. Iza tokoa moa amin’izao filoha efa nametra-pialana izao, no manome fahefana an-dRaholdina hanao izany, nefa ny mpisolo toerana aza efa tsy mazava, filohampanjakana fôpla, hoy ny tanora, fa dia anaovana tian-kano tsy tian-kano eny hatrany. Rehefa nisy ny fisamborana, dia iny koa Raholdina tonga nanao antsojay, ary olona efa ho 5 izao no voasaringotra manodidina izany toe-draharaha izany, ka mila jerena akaiky hatrany, sao dia lasa karatany fôpla eo koa, ka atao mody zarazaraina aty am-boalohany; nefa tsy ahitan-tombontsoa akory any aoriana.