EDITO 4 Novambra – Ireo kolikolim-pifidianan’ny kandidà Rajoelina

Beharo

Efa namoaka ny Transparency International Initiative Madagasikara, fa efa mahatratra 3 miliara Ar mahery hatreto ny tambin’ny kolikolim-pifidianana ataon’ny kandidà Rajoelina. Fantaro ary ireo kolikolim-pifidianana ataon’ity kandidà ity: moa ve tsy fiainam-bazaha no mibahana amin’ny tsirairay raha vao mahare izany Predator, teleferika, lalambe migodana, Tour Eiffel, sns… izany, miampy ireo fanomezana efa tratra aoriana fanaovana propagangy ihany koa, nefa tokony nomena tany aloha tany, toy ny moto sy bisikileta marobe izay nozarazarainy, ary ny vary sy menaka miampy tsolotra vola isan-karazany, arahina fitafiana mitovy loko lôranjy, atao takalom-pitiavana amin’ny fifidianana. Eo koa ny fampiasana fitaovam-panjakana: tranom-panjakana sy ny fiaram-panjakana: misy ireo fiara takelaka mena mivadika ho maity ankehitriny ary anaovan’ny mpomba an-dRajoelina fampielezan-kevitra.

Mbola tsy nahitana jadona toy izany, ireo mpitondra tany aloha hoy ny rehetra, lasa hery famoretana ny zandary, ny HCC, CENI, ary ny governemanta, manao asa tsikombakomba, ka na ny fanendrena ny filoha mpisolo toerana aza izay natolotra ny Jeneraly Baomba dia efa mampahatsiahy ny tsy rariny nataon-dRajoelina tamin’ny 2009, ary mampibaribary, fa mamba seza ry zalahy hoy ny maro. Tsorina fa ny nataon-dRajoelina taloha fony izy mpanohitra ihany no miverina ao an-tsainy, ka raha vao miala aminy tsikelikely ireo namany dia efa samy miaiky ny ratsy fanaony, sy hoe efa voafitaka, ary efa mahita mazava izao loza mitaotao izao, miainga amin’ny hala-bato, ny raharaha maizina samihafa, ny fampiasana ny fitaovam-panjakana amin’ny tsy rariny, ny resaka volamena very, hazo sarobidy tsy mazava, ary indrindra ity raharaha mianjady amin’ny talen’ny kabinetra teo aloha tao amin’ny fitondrana ity, ka mahavoasazy azy any Londres. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny kandidà Rajoelina izany, satria tsy nandehandeha ho azy izy tany, fa nisy mpaniraka. Ho hitantsika eo ihany ny ho tohiny.