FARITRA MENA HOE ?

Na faritra fotsy io na faritra mena,
Ny hetsika ataonay dia am-pahendrena,
Fa tena hijoro izahay ka hitaky
Kanefa tsy asianay atody iray vaky!

Na faritra fotsy io na faritra mena
Dia io ilay kianjan’ny fahaleovantena,
Ka eo no hilazanay vahoaka mifoha
Fa tsy misy vazaha azo ekena ho filoha!

Na faritra fotsy io na faritra mena,
Tsy maintsy miroso no teny nomena.
Ny foza no fatra-panao dia mianòtra,
Fa tsy mba ny gasy madio sady tsotra!

Na faritra fotsy io na faritra mena
Efa latsaka an-davaka ny firenena,
Ka ny hany vahaolana: esory ny foza
F’ireo no mpanimba sy mpitondra loza!

…Komity manokana no aoka hiomanana,
Hitantana sady hampanao fifidianana.
Izay no hany lalana tsy manahirana,
Nefa koa lalana tsy azo ihodivirana!

DADAN’i RIANA (03-11-23)