Depiote Masy Goulamaly – Nofitahan-dRajoelina amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka

Stefa

Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, nanao fanambarana ny depiote Masy Goulamaly depiote voafidy tany amin’ny distrikan’i Tsihombe faritra Androy. Nofitahan-dRajoelina amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka nandritra izay 5 taona izay, hoy ity olom-boafidy ity.

Nambarany fa: “manao fampielezan-kevitra ianao izao, handresy lahatra ny vahoaka? Milokaloka ianao fa raha ianao no lany dia hanao ny ainao tsy ho zavatra mba hampiadana azy ireo. Tanisainao daholo ny zavatra tena filan’ireo vahoaka ireo, tanisainao ny maharary azy ireo, ka nampanantena ianao ary vonona fa hitondra vaha-olana. Resilahatra ireto vahoaka ka dia nifidy anao ho mpitarika, nametraka ny fahatokisana aminao sy finoana amin’ireo fampanantenana isankarazany. Androany ianao lasa herim-pamoretana, nampahantrainao ireo vahoaka natoky anao ireo, tsy nandry fahalemana, tsy misy asa, niakatra ny vidim-piainana, betsaka ireo matory fotsy tsinay, efa tsy afaka mitsabo, tsy afaka mampiana-janaka, tsy misy jiro, tsy misy rano, very tanteraka ny hasin’ny maha Malagasy. RESY TANTERAKA NY VAHOAKA ANKEHITRINY. Androany ianao mbola tsy misalasala ny mifanatrika indray, mbola mamerina indray ireo fampanantenàna 5 taona lasa. Nofitahinao amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka, ianao no mametraka ny lalàna izay mety aminao, nitsangana ho olana ianao, fa tsy ho vaha-olana ho an’ny Malagasy velively”.

Miara-dia amin’ny hetsiky ny vondron’ireo kandidà koa ity solombavambahoaka avy any Atsimo ity amin’izao fotoana.