MLD – Fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny olom-pirenena – Azo enjehina ny mpitandro filaminana miaraka amin’ny lehibeny (Fehezan-dalàna fahamaizana)

Nanao izao fanambarana izao ny mpisolovava mivondrona ao anaty ny “Manda ho an’ny Lalàna sy Demokrasia” manoloana ny raharaham-pirenena:

“Izahay Mpisolovava mpikambana ao amin’ny Fikambanana “MANDA HO AN’NY LALANA SY NY DEMOKRASIA” na MLD dia maneho ny ahiahinay fatratra manoloana ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana sasany nandritra ny diabe sy fihetsiketsehana am-pilaminana natao teto an-drenivohitra.

Ireo fihetsika tsy azo leferina ireo dia fanitsakitsahana tanteraka ny fitsipika fototry ny zon’olombelona, indrindra fa ny fahalalahana maneho hevitra, mihetsika ary maneho am-pilaminana.

Andry iankinan’ny fiaraha-monina demokratika maneran-tany ny fihetsiketsehana am-pilaminana ary iantohan’ny Lalampanorenana sy ny andininy faha-21 amin’ny fifanekena iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika izay neken’i Madagasikara tamin’ny taona 1971.

Ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra, ankoatry ny fisorohana ny mety hisian’ny herisetra sy ny fanimbana, dia ny fiarovana indrindra ny mpanao fihetsiketsehana, ao anatin’ny fanarahana hentitra ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ary koa ny lalana malagasy manan-kery, indrindra ny didim-panjakana laharana 60.104 ao amin’ny andininy faha-04, toy ny ny fomba tsy maintsy atao mialoha dia ny “sommation” mialohan’ny fanapahan-kevitra hanaparitahana ny vahoaka.

Ny fampiasana hery dia tsy maintsy mifandanja sy voabaikon’ny tombotsoan’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka fotsiny ihany: ny fampiasana hery tafahoatra sy tsy mifandanja dia azo adika ho manana antony ara-politika.

Mikasika ny fisamborana feno herisetra voamarika dia tianay ny mampatsiahy fa ny fisamborana tsy ara-dalana dia voasazy asa an-terivozona araka ny andininy faha-341 sy ny manaraka ao amin’ny Fehezan-dalana famaizana Malagasy.

Mampatsiahy ihany koa momba ny “baïonnette intelligente”. Ny andininy faha-09 ao amin’ny Sata mifehy ny Tafika dia milaza mazava tsara hoe: “Tsy maintsy mankato ny baikon’reo lehibeny ny miaramila rehetra. Na dia izany aza, dia tsy azo baikoina izy ireo, ary tsy afaka manatanteraka baiko mifanohitra amin’ny Lalàna, sy ny Fomba fanao mahakasika ny ady ary ny Fifanarahana iraisam-pirenena, na koa baiko isaina ho heloka bevava na heloka tsotra na heloka miteraka fandoavana lamandy.”

Ny mpitandro filaminana dia manana adidy tsy hankato ny didy mibaribary fa tsy ara-dalana ka mety ho voaheloka. Azo enjehina miaraka amin’izy ireo ny lehibeny noho ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny olom-pirenena (and. 114 amin’ny Fehezan-dalana famaizana). Amin’izao vanim-potoana izao, tsy tokony hino intsony isika fa ny tarehy afenina amin ‘ny saron-tava dia hanafina ny endrika hatramin’ny farany. Mety hillatsaka ny saron-tava, azo horonantsary ny fihetsika rehetra ary aparitaka ho hitan’ny besinimaro.

Amin’ny maha-fikambanana ho an’ny fampiroboroboana ny demokrasia sy ny fitovian-jo ho an’ny rehetra eo anatrehan’ny lalana, dia mijoro hatrany izahay hanara-maso akaiky ny zava-misy ary vonona hiara-hiasa amin’ny manampahefana, ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hisorohana ny fisehoan-javatra toy izao ny amin’ny ho avy ka hiady amin’ny tsimatimanota amin’ny fomba mahomby.

Miantso ny olom-pirenena ihany koa izahay mba hijoro sy hirotsaka an-tsehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona ary fandrisiana ny tsy fisian’ny herisetra ho fomba famahana ny olana aro-palitika.

Antananarivo 06 Novambra 2023

Maître RANDRIANILANA Baholy H.C.
(Secrétaire Général)
Maître RAZAKATIANA Mamihasina
(Vice-Président)