AOKA TSY HAMALY AKORY

Aoka tsy hamaly akory ireo karazam-pihantsiana,
Ry misalotra ny fotsy mba ho akanjo fanamiana.
Tsy hiady no niantsoana, isika koa tsy jiolahy,
Fa tena gasy ray sy reny, mbola itoeran’ny fanahy!

Aoka tsy hamaly akory ireo karazam-pihantsiana,
Tena tolona ny antsika saingy atao am-pitoniana.
Ireo miketrika korontana, aoka ho menatra tanteraka,
Mivavaha hatrany koa ka aoka isika tsy ho reraka!

Aoka tsy hamaly akory ireo karazam-pihantsiana,
Saina, soratra no akaro mba ho mari-pitakiana.
Filaminana no ilaina, ny hamaroana no handresena.
Mirosoa ry malagasy, miantso anao ny firenena!

Aoka tsy hamaly akory ireo karazam-pihantsiana.
Tena tsy eny an-tanantsika ny fitaovam-piadiana,
Saingy ny herin’ny finoana no laroy fanantenana,
Hahafahana miverina amin’ny « tany tan-dalàna »!

Aoka tsy hamaly akory ireo karazam-pihantsiana,
Na dia miomana amin’izany iretsy olo-novidiana.
Aleo ho hita miharihary fa isika tsy voavidy,
Sady tsy manaiky intsony raha filoha vazaha no handidy!

DADAN’i ZINA (03-11-23)