ASABOTSY MIFANKAHITA

Tongava malaky ny andro asabotsy,
Fa tena kendrena mba hangorom-potsy
Ilay Analakely efa nifanekena,
Izay tsy hafa fa kianjan’ny fahaleovantena!

Ny amponga vilany no ‘ndeha mba vimbino
Ary ny kiririoka koa re aza adino.
Dia tsofy, eny tsofy mba « hahita raha »
Ireo mikendry ny hanohana filoha vazaha!

Tongava malaky re ny andro asabotsy.
Meteza, meteza mba hiakanjo fotsy,
F’izay no tandindon’ilay fahadiovana
Hoenti-manaisotra ireo fahalovana!

Aato , tsy asiana fitaovam-piadiana,
Fa ny herim-pinoana no ‘ndeha hitafiana.
Tsy maintsy mandroso no baiko nomena,
Mba hoenti-manavotra ity firenena!

…Ka dia asabotsy ary mifankahita,
Efa roso ny dia ka tsy maintsy tafita.
Mangovitra mafy i Vazaha lany vatsy,
Fa kaontin’ny efa higadra atsy ho atsy!

TSIMIMALO (02-11-23)