Rina Randriamasinoro – Nihemotra amin’ny 28 novambra ny fotoam-pitsarana

Isambilo

Niakatra fitsarana ny talata lasa teo ny raharaha Rina Randriamasinoro, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), nosamborina tsy amin’antony, nandritra ny hetsiky ny vondron’ireo kandidà voalohany tamin’ny 2 oktobra lasa teo, teo Andohan’Analakely.

Voatazona nandritra ny 10 andro teny amin’ny zandary teny Fiadanana izy, tao aorian’ny nisamborana azy, ary rehefa niakatra Fampanoavana avy eo dia arahi-maso ara-pitsara mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana, izay natao ny talata teo, nefa nahemotra amin’ny 28 novambra ho avy izao, araka ny nambaran’ny mpisolovava azy, Me Eloi Ratefimahefamijoro.

Ara-dalàna izay fanemorana izay hoy izy, satria mbola misy ireo zavatra manjavozavo momba ity raharaha ity, tsy nilaza kosa izy ny antony anenjehana ity sekretera jeneralin’ny antoko TIM ity ara-pitsarana izao.