Distrikan’Ankazobe – Miombompo amin’ny vondron’ny kandidà 10 koa

Helisoa

Toy ny distrika rehetra eto Madagasikara dia miombompo amin’ireo vondron’ny kandida miisa 10 Ankazobe faritra Analamanga. Nisy ny hetsika nataon’ izy ireo ny alatsinainy teo tao Ankazobe, izay notarihan’ny solontenan’ny kandidà any an-toerana, ny depiote teo aloha Pasitera Mamitiana Ravelonanosy, no nitondra tenin’izy ireo tamin’izany. Nambaran’ izy ireo fa:

– Miombona tanteraka amin’ny tolona ataon’ny vondron’ny kandida, izay miady ho amin’ny fahamarinana sy ny zavatra mitanila eto amin’ny tany sy ny firenena.
-Miady ho amin’ny fandravàna ny HCC, satria ny zavatra avoakany dia mitanila any amin’ny kandidà tokana sady vazaha, Andry Rajoelina.
-Miaraka miombona amin’ ny vondron’ny kandida, hanaisotra ny CENI, ka rafitra tsy mitanila no mitantana ny fifidianana, mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena.
-Miaraka mitolona amin’ny vondron’ny kandidà Ankazobe, satria ny fahamarinana no apetraka ho any amin’ny fifidianana tsy mitanila.

Ho an’Ankazobe manokana, manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana, izay efa tsy ho zaka toy ny asan-dahalo, fakana ankeriny, sns…

Ankoatra izay, maro ny fitarainana azo mika-sika ny tsy fahatomomba-nan’ny lisitry ny mpifidy any amin’ireo kaominina mandraifitra ny distrika. Ohatra amin’izany ao amin’ny fokontany iray, 800 no nameno taratasy fisoratana anarana nefa dia 400 no voasoratra. Midika tsy fahatomombanana izany hoy ny fanambaràna. Namafisina tamin’izany, fa vonona tanteraka amin’ny tolona atao miaraka amin’ny vondron’ny kandida ny distrikan’Ankazobe ary mivonona ihany koa amin’ ny toromarika avy any amin’izy ireo.