MISAOTRA MISAOTRA RY AMBOHITRIMANJAKA

Tohizo ireo hetsika hoenti-manala
An’ity fitondrana tantanan’adala,
F’isika vahoaka no tompon’ny laka
Ary lohany ianao re ry Ambohitrimanjaka!

Tsy nahomby teto ny « tanamasoandro »
Fa sendra mpitondra mifanahim-bandro.
Ilay hoe Cedric aoka kely hivanaka,
Tsy mila vazaha ny eto Ambohitrimanjaka!

Mitohy izany tolona ka tsy hiato,
Mba ho fanalàna ireo mpitari-bato
Izay toa vilambava manala baraka
Ka dia mivonòna ry Ambohitrimanjaka.

Fantaro, tsarovy fa « lohany » isika
Kanefa tsy fary fa sao diso dika,
F’ilay Gasikara no tiana hitraka
Ka dia mahereza ry Ambohitrimanjaka!

TSIMIMALO (02-11-23)