HO LASA FANJAKAN’I BAROA ?

Raha jerena sy henoina ireo mpitsara ery ambony
Dia toy ny olo-miboridana, efa tsy mitafy intsony.
Toa tsy mahalala menatra eo anivon’ny tontolo,
Fa dia mihevitra ny gasy ho tena vendrana daholo!

Ny lalàna « tena izy », tsy nampihariny mihitsy,
Fa ny ataony dia ny miaro tombontsoan’olom-bitsy!
Izany no mpitsara avo notendrena eto amintsika,
Tsisy fahaleovantena fa baikoin’ny politika!

Tsy azon’iza ivalozana, izany hono iretsy didiny,
Nefa hita miharihary fa ny marina namidiny!
Tsisy zavatra mitombina izay mba fanapahan-keviny
Fa ny hany tanterahiny dia ny tiany sy ny reviny!

Re fa efa misy ihany ny mba tonga saina ao aminy,
Ka dia asa raha hampiova ny amin’izay ho rindrandaminy.
Saingy hatreto aloha, mampiaiky sady mampanongo tena,
F’i Baroa no toy ny tazana ho mitondra firenena!

TSIMIMALO (02-11-23)