Fanamelohana ny herisetran’ny Fanjanahantany – Mety hanao toy ny Britanika sy Alemà ve ny Frantsay?

Lanzelo

Toa misy rivo-baovao mitsoka eo anivon’ny fifandraisan’ny firenena mpanjanaka sy voazanaka teo aloha raha zohina amin’ny fihetsika nasehon’ny ny firenena britanika sy ny firenena alemaina tamin’ity herinandro ity. Mampiseho finiavana hanorina fifandrasaina vaovao ny faneken’izy ireo ny herisetra nataon’ny mpanjanaka tamin’ny andron’ny Fanjanahantany. Hitsoka hatraty Madagasikara ve izany rivotra izany eo anatrehan’ny fanjanahana nataon’ny frantsay izay nisehoan’ny raharaha 1947?

Firenena britanika

Nanao fitsidihana nandritra ny roa andro tao Nairobi renivohitry Kenya ny mpanjaka britanika Charles III ny 31 oktobra 2023. Nandritra izany ity farany no nanameloka ny fihoarampefy nandritra ny fanjanahantany (1895-1963) manoloana ireo keniana nitolona ho an’ny fahaleovantena sy fiandrianampirenena. Tsy azo ekena izany hoy izy, ary tsy azo ovaina ny tantara. Fa kosa, azontsika todihana miaraka ny ho tantara, hoy ihany izy, ao anaty fahamarinana sy fifampiresahana, hanorenana fihavanana tena tsara fototra ary azontsika iezahana ny hanorina fifamatorona akaiky hatrany mandritra ny fotoana ho avy. Na izany na tsy izany dia tsy nisy teny fifonana anefa avy tamin’ity mpanjaka ity.

Taorian’ny ambaratonga naharitra aman-taonany maro, dia keniana dimy arivo mahery teo no notolorana onitra ny taona 2013. Nahafaty keniana mihoatra ny 10.000 ny hetsika Mau Mau teo anelanelan’ny 1952 sy 1960. Rehefa nalàna ny saran’ny fitsaràna, dia samy naharay teo amin’ny 3000€ (14 tapitrisa ariary) tsirairay teo izy ireo.

Firenena alemaina

Ny faha-1 novambra 2023 dia ny filoha alemà no nitsidika an’i Songea, tanàna iray ao Tanzania, izay toerana namoizana tanzaniana aman’hetsiny (200.000-300.000) vokatry ny herisetran’ireo mpanjanaka alemà teo anelanelan’ny taona 1905-1907, ary notapahandoha mihitsy àry ny mpitarika Mbano sy ireo mpiaradia taminy miisa 66.

“Menatra aho! Menatra aho amin’ny nampizakain’ireo miaramila mpanjanaka alemaina an’ny razambenareo. Miondrika aho manoloana ireo lavo vokatry ny fanjanahantany alemà. Amin’ny maha-filoha alemaina aho, dia ifonako izay nampizakain’ny alemà an’ireo razambenareo”, hoy ny filoha alemà Frank-Walter Steinmeir.

Firenena frantsay

Aiza ho aiza ny firenena frantsay manoloana ny herisetran’ireo mpanjanka nandritra ny fanjanahantany?

Efa nisy ihany tamin’ny taona 2005, fanambarana avy tamin’ny filoha Jacques Chirac nilaza fa tsy azo ekena, “inacceptable”, ny tranga nandritra ny raharaha 1947. Dia izay.

Fa raha ny hatreto aloha dia tsy misy singa entina anambarana fa manomboka misy endrika fanenenana sy fahavononana hiaraka hitodika ny tantara marina ary hanaiky ny tsy mety, sy ho raiketina sy ho eken’ny rehetra, hahafahana mibanjina fifandraisana madio sy mafy fototra hanorenana ny ho avy.

Ny mifanohitra amin’izay àry no tsikaritra. Satria raha ny resaka ifanaovan’ny eny amin’ny fiarahamonina na famelabelarana ataon’ny mpanao politika eny amin’ny haino aman-jery, dia voaresaka ny hoe fanjanahana amin’ny hendriny vaovao. Raha alaina ohatra ny fizakan’i Andry Rajoelina zo frantsay dia endrika mampiseho fa ao ambadika ny dian-tanan’ny mpanjanaka teo aloha, ary na dia ny fiarovana ireo nosy Malagasy bodoin’ny frantsay aza dia iny hita iny fa niforitra izy teo anatrehan’ny filoha frantsay.Tsiahivina moa fa Malagasy feno taona nangataka ny fizakana ny zom-pirenena vahiny ny tenany tamin’ny taona 2014. Noho izany dia mihatra avy hatrany ny fahaverezan’ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.

Koa toa mbola lavitry ny afo ny kitay raha izany resaka hoe hiroso marina amin’ny fiekena heloka nandritra ny fanjanahantany avy amin’ny firenena frantsay izany.

Fa ny maika ilaina banjinina aloha dia ny fiverenan’ny firenena amin’ny ara-dalàna sy ny fanatanterahana fifidianana madio ary eken’ny rehetra. Isan’ny ara-dalàna amin’izany ny fanalàna an’i Andry Rajoelina amin’ny lisitry ny kandidà ho fidiana filohampirenena.

https://www.lemonde.fr/afrique/article/2023/11/01/deuxieme-jour-au-kenya-pour-charles-iii-apres-ses-mots-sur-les-torts-coloniaux_6197654_3212.html
https://www.lemonde.fr/afrique/article/2023/11/01/tanzanie-le-president-allemand-demande-pardon-pour-les-massacres-a-l-epoque-coloniale_6197674_3212.html
http://www1.rfi.fr/actufr/articles/067/article_37637.asp
https://www.vie-publique.fr/discours/148626-discours-de-m-jacques-chirac-president-de-la-republique-sur-les-relat