Famaranana ny tolona – Fotoana famoahana ny paik’adim-pitolomana rehetra izao

Sôh’son

F’angaha tsy maintsy eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey vao mahaongana fanjakana? Fisainana raiki-tampisaka efa nandritry ny taona maro ny hoe ny fankanesana eo amin’izany toerana izany, no ivon’ny hetsika fanoherana amin’ny tsy fanekena ny fitantanam-pirenena. Amin’ny lafiny iray dia tena marina tokoa izany, fa ny hetsika tonga eo no tendron’ny haavo lentan’ny maripana amin’ny hetsi-bahoaka ary mitarika mankany amin’ny fionganan’ny fitondrana. Nanaporofo izany ireo zava-nitranga teo tao anaty taona maro, izay nanomboka ny 13 Mey 1972. Ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina sy ny forongony no nanao izany ny taona 2009, ary nofaranan’ny depiote 73 izany ny taona 2018. Tao anatin’izany mandrakariva i Andry Rajoelina, ka izay no maha mahina azy miaraka amin’ireo mpiara-dia sy mpisolelaka aminy amin’izao fotoana izao. Satria atahoran’izy ireo mafy hiverina aminy ihany ny nataony.

Mila miakatra eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey tokoa ny hetsika fotsy tarihan’ny vondron’ny kandidà 10 miaraka amin’ireo solombavambahoaka marobe amin’izao fotoana izao. Notsinontsinoavin’ireo manohitra azy ireo, ny TGV sy ny Upar sy ny forongony izany hetsika izany, kanefa mikendry sy mikatsaka izay hahasoa ny firenena. Tsy maintsy atao izay hahatratrarana io tanjona io, mba ho afa-tsiny amin’ireo zoky raiamandreny tia tanindrazana nahafoy ny rà sy ny ainy hanafahana an’i Madagasikara eo ambany ziogan’ny fanjanahantany frantsay. Ampaherezina araka izany ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy mitolona ankehitriny, miaraka amin’ny kandidà 10 hanafaka ny firenena tsy ho voazanaka vaovao indray sy ho voafatotr’ireo mpamadika sy mpivarotra tanindrazana.

Ankoatra ny Kianjan’ny 13 Mey dia tokony hisy ihany koa kianja hafa, hahafahana manao hetsika mahery vaika tsy ho zakan’ny mpiaro fahefana mitanila ary tsy ara-dalàna mihazona ny fanjakana tsy tan-dalàna. Afaka hahita izany tsara ireo mpitarika ireo, ary fantatra tsara fa tsy maintsy misy fetra ny vola araviravin-dRajoelina sy ny mpanohana azy, anaovana ireo zandary sy miaramila ho fitaovana miaraka amin’ireo misalotra ny akanjo volom-boasary hisakana mandrakariva izany. Mila avoaka tanteraka amin’izay ny tetik’ady rehetra fa tena fotoanany izao, mba hamaranana azy haingana ho tonga amin’ny tanjona.

Eo rahateo ny hetsika efa mahazo vahana any amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Afaka ahita izany tsara ireo mpitarika satria olona manana ny maha izy azy avokoa izy rehetra ireo na traikefa na fahendrena, izay tsy ananan’ireo mpisakana fositry ny firenena ireo. Tohanan’Andriamanitra rahateo, izay mikatsaka ny fahamarinana eto amin’ity firenena ity ary tsy maintsy resy ny asan’ny maizina sy ny forongony, satria masina ny tanindrazana.