Ampy izay – Tsy ao amin-dRajoelina intsony ny soatoavina Malagasy

Andry Tsiavalona

Samy mizotra amin’ny làlana heveriny fa hahatongavana any amin’ny tanjona tiany hahatongavana, ny mpifanandrina roa tonta amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Andaniny ny kandidà vazaha Andry Nirina Rajoelina mikiribiby ary manohy ny fampielezan-kevitra, ka mampiasa olona sy fitaovana ary fandemen-tsaina amin’ny alàlan’ny fizarana akanjo sy vola ary fandrahonana ny mpiasam-bahoaka tsy maintsy manatrika ny famoriam-bahoaka ataony. An-kilany kosa ny Hetsika Fotsy tarihan’ny vondron’ny kandidà 10 mitaky ny fandravana ireo rafitra rehetra misahana ny fifidianana (Hcc sy Ceni), sy ny fanovàna ny fitsipika mifehy ny fifidianana (code électoral) ary ny fanesorana an-daharana an’i Andry Nirina Rajoelina tsy ho kandidà amin’ny maha vazaha azy. Eo koa ny fanalana ny governemanta izay governemanta mitanila ihany koa.

Tsiahivina anefa fa neken’ny Hcc ny antontan-taratasy firotsahan‘i Andry Nirina Rajoelina, satria hono nisy ny taratasy manamarina ny maha malagasy (certificat de nationalité) azy, kanefa nahafantatra ny fisian’ny Didim-panjakana nanome ny zom-pirenena frantsay (décret de naturalisation) azy. Tsy voalohany ity fanitsakitsahana ny lalàna nataon’ny Hcc ity, satria niaraha-nahalala ihany koa ny vaovao momba ny fandavany ny fitakian’ny kandidà Raobelina Andry hanemorana ny datim-pifidianana, noho ny tsy fahafahany miverina eto Madagasikara noho ny ratra eo amin’ny masony, vokatry ny tifitra nataotan’ny zandary. Ny tena zava-doza manoloana ity raharaha ity dia ny tsy fananan’i Andry Nirina Rajoelina ao aminy intsony ny soatoavina malagasy, satria samy malagasy na izy na Raobelina Andry ary misy ny Fahendrena malagasy manao hoe: « tànan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary » satria frantsay izy ary nanome ny baiko tamin’izany.

Ny zava-misy ihany koa dia tsy azo lavina fa manao izay ho afany ny zanaka amam-para amin’ny filazana, fa ny fifidianana ihany no vahaolana tsy hisian’ny korontana, satria ireo rafitra ireo ihany no nisy tamin’ny fifidianana 2013 sy 2018 dia tsy nisy ny olana. Toa tsy niaina sy jamba ireto lokom-boasary ireto tamin’ireo vanimpotoana ireo, satria nandefitra ny kandidà Ravalomanana Marc tamin’ny fihodinana faharoa, ka nanaiky ny voka-pifidianana na dia efa aman-jatony aza ny fitoriana tao amin’ny Hcc ary nanaporofo ny naha kitoatoa iny fifidianana iny ny « doublons » niisa roa hetsy sy iray tapitrisa novakian’ny filoha lefitry ny Ceni bantsilana tamin’izany. Tsapa araka izany, fa tahotra ny an’ny zanaka amam-paran’i Andry Nirina Rajoelina, satria ho very remby sady ho takian’izay mahazo ny fahefana haverina ny halatra ny harem-pirenena nahodinkodina nataon’izy ireo teto.

Tsy mbola afaka milaza ny rehetra fa tena namadika ny tolon’ny Hetsika Fotsy tokoa ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny raha nandray fanapahan-kevitra, fa hanao fampielezan-kevitra, satria mbola nanamafy izy fa ao anatin’ny tolona tanteraka raha tsy roahin’ny Vondron’ny kandidà angaha. Ny manahirana kely anefa dia toa izy irery amin’ireo kandidà folo, araka ny filazany, no manana vina matotra momba ny fitsinjaram-pahefana, satria ny an’ny hafa dia fitsinjaram-pahefana ara-toekarena na ara-tsosialy dia izay. Tsapa tokoa fa tsy nahafantatra ny Fandaharanasam-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanapariaham-pahefana (Programme National de Décentralisation et de Déconcentration) noketrehan’ny fitondrana Ravalomanana Marc ny kandidà Siteny. Departemanta minisiterialy fito iankaninan’ny fampandrosoana no nangalana « consultant » isanisany. Nampirimina tany any anaty vatasarihana ity programan’asa ity rehefa nisy ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Azo inoana fa raha tafaverina eo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana Marc dia ho anisan’ny vinany indray ny “PN2D Plus”.

Raha ny fampielezan-kevitra ataon’i Andry Nirina Rajoelina tany Toliara dia hita, fa mihorohoro izy na dia mirehaka aza fa tiam-bahoaka sy mahavory vahoaka kanefa fantatra fa tonga ny olona fa nahazo akanjo sy vola ary hijery lanonana maimaimpoana. Ny rehetra anefa dia tsy misy manaiky vazaha, indrindra ny nanjanaka ity Firenena ity, no mbola hiverina hanandevo ny Malagasy indray. Azo anaporofoina izany ny fitomboan’ny Malagasy, tena Malagasy, saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena sy tsy manaiky handevozin’ny vazaha intsony, manatevin-daharana ny hetsiky ny Vondron’ny Kandidà 11. Tsy azo ekena intsony ny mbola hiverenan’ny mpamitaka ny Malagasy sy Mpanjanaka eo amin’ny fitondrana indray, “AMPY IZAY”.