EDITO 2 Novambra – Ataon’ny HCC ho fanjakan’i Baroa i Madagasikara

Sôh’son

Nampidirin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ho amin’ny Fanjakan’i Baroa ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Niseho indrindra izany tamin’ny fotoana nanekeny sy namoahany didy, fa ny jeneraly Ravalomanana no filohan’ny Antenimerandoholona sy indrindra hitàna ny andraikitra hisahana vonjimaika ny toeran’ny filoham-pirenena. Notendreny ny hisahana izany aloha ny governemantan’i Ntsay Christian, dia izao indray ity senatera tampotampoka farany ity. Tena fitondrana ny firenena hankany amin’ny fikorontanana amin’ny fitantanam-pirenena no nataony amin’izao fotoana izao.

Tena nohitsakitsahan’ny HCC tsotra izao ny Lalampanorenana, izay izy no tokony voalohany hiaro sy hitandro izany toy ny anakandriamaso. Mazava ny fihetsik’ilay mpikambana iray teo anivony, izay sahy nijoro nitàna ny fahamarinana, fa tsy araka ny Lalampanorenana ny fanapahan-kevitra noraisiny teo. Eny na dia olona iray aza no sahy nijoro tsy nanao Sonia teo anivony dia efa midika zavatra be izay aloha, ary maneho amin’ny vahoaka Malagasy, fa mivily lalana ity HCC-n’i Florent Rakotoarisoa ankehitriny ity amin’izao fotoana izao. Anisany voalohany mitondra ny firenena tanteraka, mankany amin’ny tany tsy tan-dalàna ny HCC amin’izao fotoana izao, ary tsy hita soritra mihitsy ny fahavononany na ny finiavany hiàla amin’izany, fa vao mainka alentiny lalindalina kokoa hatrany.

Dia mitombina mazava tsara ny hevitry ny kandidà 10 mitarika ny hetsika fotsy, fa tsy azo itokisana intsony io andrim-panjakana HCC io. Tsy vitan’ny efa miandany mirona mankany amin’ny fampandaniana an’i Andry Rajoelina fotsiny, fa tena manapotika ny hasin’ny HCC sy indrindra ny firenena manontolo mihitsy ny ataony amin’izao fotoana izao. Haratsiana na fomba ratsy atao eto amin’ny firenena izany. Tsy atao hahagaga raha nampitomboina sy natao zandary ny mpiambina azy, fa ny manao ratsy ihany no mahina, hoy ny fitenenena. Raha manao ny marina sy tsara eto amin’ity firenena ity tsy manamaro mpiambina izany, tsy iadian-kevitra izany satria ny vahoaka tsy adala akory, fa mainka arovany aza ny olo-marina.