RY MIKASA HANDATSAKA AINA !

Aza iretsy kandidà f’ireo mikasa handatsaka aina
No teneno sy anaro mba ho tena tonga saina,
Sy hiverina hahatsiaro f’izy ireo dia malagasy
Ka tsy gasy tahaka azy no hotifiriny amin’ny basy!

Indrindra indrindra ireo hijoro sy hanao ny fitakiana
Dia tsy miomana hitondra izay fitaovam-piadiana,
Fa ny sainam-pirenena sy ny akanjo fotsy hatrany,
Izay no hany mba nomaniny hiatrehana an’izany!

Aza iretsy kandidà f’ilay malaza ho ratsy saina
No teneno sy anaro fa tsy azy anie ny aina!
Dia mba tena hiova hevitra, tsy hanao lohamboto intsony
Fa hamela ireo vahoaka haneho ny hetahetam-pony!

…Fehiny ry miaramila: ampirimo re ny basy
F’aza aripaka amin’ireny ny vahoaka malagasy.
Raha mikiry ianao mpibaiko ka manery handatsaka aina,
Dia tsarovy ary aza adino, ianao anie mbola hotsaraina!

TSIMIMALO (30-10-23)