28 Oktobra 2023 – Coliseum Antsonjombe – Collectif des candidats – Fanambarana – Antso ho an’ny foloalindahy

Ny Valosoa

Nandritra ny hetsika fotsy fitolomana ho an’ny fahamarinana izay notontosaina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe androany faha-28 Oktobra 2023, dia nanao fanambarana mitodika amin’ny foloalindahy tahaka izao ny Collectif des candidats:

“Tsy nitsahatra nikaroka vahaolana ny Collectif des candidats nandritra izay herinandro maromaro izay manoloana ireo fandikan-dalàna misy eto amin’ny tany sy ny firenena.

Efa samy namaly ny antso ary efa samy nanao ny ezaka tandrify azy na ny ray aman-dreny am-panahy eo anivon’ny FFKM, ny fiarahamonimpirenena, ny Communauté Internationale, ny sindika, ny ray aman-dreny ara-drazana, ny antoko sy vondrona politika maro, ny fikambanana samihafa, mba hisian’ny vahaolana.

Kanefa mbola miziriziry sy minia manao be marenina hatrany ny etsy ankilany ary mbola mitohy hatrany ireo fandikan-dalàna ataon’ireo andrim-panjakana sy mpitondra fanjakana ankehitriny hanomezana tombontsoa ho an’olon-tokana, izay amafisinay hatrany fa kandidà vahiny.

Mbola hita izany farany teo tamin’ny fanaovan’ny HCC amboletra nametraka ny jeneraly retraité Richard Ravalomanana ho filoham-panjakana.

Manoloana izany rehetra izany dia mitodika sy miantso anareo polisy sy ny foloalindahy izahay. Ianareo no tandroka aron’ny vozona. Ianareo no antoka afaka hiaro ny fiandrianampirenena. Miantso anareo izahay mba hijoro handray ny andraikitra feno tandrify anareo mba hisian’ny fifampiresehan’ny mpanao politika amin’ny latabatra boribory, hitadiavana vahaolona manoloana ireo fandikan-dalàna sy krizy maro sosona eto amin’ny firenena.

Manamafy hatrany ny antso atao amin’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka mba hiray hina, hijoro ary tsy hanaiky lembenenana ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Natao androany teto Antananarivo, faha-28 Oktobra 2023”

—https://fb.watch/nZgpA0saUB/?mibextid=v7YzmG