ALEO TSY ASIANA FIFIDIANANA

Ampahantraina ny vahoaka, avy eo dia mody mba tolorana?
Izay ilay fomba mahazatra efa fanaon’ny fozaorana?
Ary dia mitohy hatrany sy tsy manam-pitsaharana
Ny fizaràna volakely sy fandraisana ny anarana?

Dia mangina iretsy rantsana manohitra ny kolikoly,
Na dia hita miharihary fa mandeha ny asan-devoly?
Fividianana safidy no efa tsisy miery intsony,
Saingy indreo mitampim-bava ireo mpitsara ery ambony!

Ampahantraina ny vahoaka, avy eo dia mody omena vatsy?
Izany tolo-tsaina izany, moa tsy avy amin’ilay ratsy?
Fividianana mpifidy no mameno ny tanàna,
Saingy indrisy fa mangina iretsy olon’ny lalàna!

Ampahantraina ny vahoaka, avy eo dia indro indray tambazana?
Very ianao ry malagasy , very ianao ry tanindrazana!
Teny fohy sy tsotra ihany no aoka re hifanentanana:
Raha izay mbola izao no misy, ALEO TSY ASIANA FIFIDIANANA!

TSIMIMALO (28-10-23)