VAOVAO TSY NAHATAITRA

Tena tsisy taitra intsony ireo vahoaka efa mifoha
Raha nahare f’ i baomba indray no notendrena ho filoha,
Satria tsy zava-baovao fa efa ela no nomanina,
Saingy izao vao io tontosa ilay karazana planina!

Drafitra efa maty paika nefa dia mirefarefa
Ny amin’ny fomba nanilihana ny loholona Mahefa.
Nambaniana, noharatsiana f’efa hoe « marary saina »,
Saingy hatreto « ao tsara » sady mbola velon’aina!

Tsisy mahataitra koa ny ataon’ireo mpitsara avo
Izay toa efa tena zatra ny manao « loham-boatavo »!
Hita ny fiandaniany, efa fantatra ny lokony,
Hany ka tsy mahagaga raha mitohy ny petatokony!

…Dia inoana fa hiseho sy mbola hitohy ny asa maloto,
Indrindra indrindra ny herisetra na ny atao hoe lohamboto.
Ny antony dia tsotra ihany: ireo voatendry sy nakarina
Dia mazava fa tsy ny olona tia manandratra ny marina!

IRINA HO TAFITA (28-10-23)