Tsy hisy fifidianana eo raha tsy eo i Andry Raobelina

Niaina

Nanao fanambarana tamin’ny kaonty facebook-ny ny kandidà Andry Raobelina mhakasika ny eson-teny nataon’ny kandidà Andry Rajoelina azy, niresaka koa izy ny momba ny fifidianana. Nambarany fa tsy hisy fifidianana izany eo raha tsy eo ny tenany Andry Raobelina. Hoy indrindra izy: “ho anao ilay milaza azy ho kandida, nefa tsy manana zom-pirenena malagasy, izay matahotra mafy Fahamarinana sy Fifidianana Madio ary Mangarahara, dia tsy mety hiditra amin’izany, ilay mihomehy ny fahavoazan’ny hafa, izay nilaza fa mody marary maso aho miaraka amin’ny eson-teny… Hamindra fo aminao anie Andriamanitra. Tsy maintsy mipoaka ny sarombilany; tsy maintsy ho avy ny fahamarinana; tsy hisy fifidianana tsy misy an-dRaobelina Andry mijoro”. Na atao amboletra tokoa ary ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 16 novambra ho avy izao, raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy, tsy hisy fa hihemotra io fifidianana io. Harahantsika eto ihany tokoa ny ho tohiny.