Fanapotehana fananan’ny kandida – Nanaraka ny fitoriana natao teny amin’ny Zandary ny kandidà Hajo

Stefa

Nanoloana ny fanimbana ny fananana reo vondron’ny kandidà teny Andavamamba, nataon’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina, nanaraka ny fitoriana izay nataon’ny vondron’ireo kandidà 11 teny amin’ny zandary omaly, ny kandidà Hajo Andrianainarivelo. Hoy izy: “tonga teto amin’ny Zandarimariam-pirenena izaho sy ny Mpisolovava nizaha hoe aiza ihany ny tohin’ny fitoriana nataoko taorian’ireny fanimbana fananan’olona nisesy ireny? Efa in-droa izay no nisy nanimba ny fiarako sy ny fiaran’ireo Filoha teo aloha roalahy, kanefa tsy misy tohiny mazava hatreto. Mailaka dia mailaka anefa izy ireo nisambotra olona amin’ny lainga marivo tototra, nilazàna fa nanitsaka olona ny fiaran’ny Filoha Marc Ravalomanana. Atsaharo ny fanaovana fitaovana politika ny Zandarimariam-pirenena sy ny foloalindahy amin’ny ankapobeny, sahia isika mandray fanapahan-kevitra”. Tsy tokony hisy fitanilana amin’ny fanaovana famotorana ny olona nanimba zavatra olona, tokony ho sahy handray andraikitra ireo mpitandro filaminana voakasik’izany.