Jirama Morondava – Namoizana ain’olona sy naharavana fananana ny delestazy

Rajepa

Namoizana ain’olona sy naharavana fananana ny delestazin’ny Jirama tany Morondava faritra Menabe. Raim-pianakaviana iray 87 taona, antsoina hoe Ravelomanantsoa Gilbert no maty; olona roa no naratra; rava tao anatin’ny ora vitsy ny biraon’ny Médecin inspecteur sy ny trano fonenan’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka, vokatry ny hain-trano nitranga tao Morondava ny sasakalin’ny alarobia 25 oktobra nifoha alakamisy 26 oktobra 2023 teo. Trano lehibe misy efitra 11 ity kilan’ny afo ity. Birao fiasan’ny Médecin inspecteur Morondava ny ambany rihana, ary fonenan’ny talem-paritry ny Fahasalamana Menabe ny ambony, ka rain’ny talem-paritra ilay namoy ny ainy efa tamin’ny folo ora sy sasany ny marainan’ny Alakamisy vao hita ny razana. Rava kosa ny entana sy fitaovana rehetra tao an-trano sy tao anatin’ny birao. Anisan’izany ny solosaina maromaro, imprimante, “outils de gestion” avy amin’ny UNICEF, ary antontan-taratasy maro.

Raha araky ny angom-baovao azo dia tao aorian’ny fiverenan’ny jiro tampoka no nisy afo niakatra avy ao amin’ny compteur nahazo ny efitrano ambony. Noho ny hafainganan’ny fiitaran’ny afo dia tsy nisy azo natao afa-tsy ny niandry ny mpamonjy voina namono ny afo. Sarotra ny famonoana ny afo noho ny olana amin’ny rano, ka na ny maraina nandritra ny fikarohana ny razana aza dia mbola tsy maty tanteraka ny afo. Tao aorian’izay dia nanao fanambarana ny tompon’andraikitry ny Jirama mahakasika ny olana amin’ny delestage izay misy ato amin’ny renivohitry ny faritra Menabe, ka nilaza izy, fa nisy ny fanoloana milina mpamokatra rianaratra eto Morondava nanomboka ny 26sept lasa teo ary efa nisy ny lamina noentin’ izy ireo tamin’ny fanatanterahana an’izany, saingy tojo olana ara-tekinika ary nahitana olana ihany koa ny panneau solaire dia najanona izy izao fa ny groupe no mamatsy rianaratra ny tanànan’i Morondava amin’izao, ka noho izay no nahatonga ny fahatapahana lava hoy ny talen’ny Jirama ary efa miezaka ny Jirama amin’ny famerenena ny famatsiana ny jiro sy rano araka ny tokony ho izy. Nolazainy kosa fa tsy mbola ho foana ny delestage toy ny mahazatra, nitondra teny fialan-tsiny ho an’ny vahoakan’i Morondava ny tenany nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety.