Hetsiky ny Vondron’ny Kandidà 11 – Fanambarana lehibe anio maraina eny Antsonjombe

Isambilo

Nahazo alalana tamin’ny Prefektioran’Antananarivo, raikitra fa ho eny Antsonjombe indray, anio maraina ny vondron’ny kandidà 11. Nanambara ny kandidà Roland Ratsiraka, fa hisy ny fanambarana lehibe mandritra izany fotoana anio eny amin’ny Coliseum izany.

Fa omaly, teny Ambohitrarahaba, Ankadikely ary tao Sabotsy Namehana Antananarivo Avaradrano ny diabe am-pilaminana nataon’izy ireo. Ny alakamisy teo teny Anosy, Anosibe ary Namontana Boriboritany faha-4 ny diabe nataon’izy ireo. Vahoaka marobe hatrany no nanara-dia an’ireto vondron’ny kandidà ireto. Namafisin’izy ireo ombieny ombieny fa tsy maintsy handresy ny tolona, tsy maintsy ho tratra ny tanjona dia ny hivalian’ireo fitakiana atao: hisian’ny fifidianana madio tsy hisy hosoka, tsy hisy doublons, tsy misy biraom-pifidianana noforonina, fitsarana tsy mitanila, lalàna voahaja.

Soloina ireo rafitra mitanila sy tsy mahomby: governemanta, CENI, hapetraka ny CES: Cour Electorale Speciale hitsara ny fifidianana. Ho voafidy amin’ny lalao madio, amin’ny fomba ara-dalàna ary eken’ny rehetra izay ho filohampirenena ho lany eo. Hapetraka ny fiarahamonina milamina tsy misy lonilony. Izany rehetra izany no atao dia mba ho tany tan-dalàna amin’izay i Madagasikara, voahitsakitsaka daholo tokoa amin’izao fotoana na ny lalàna fototra: lalampanorenana, sy ny lalàna samihafa misy.