Manararaotra fahantram-bahoaka sisa Rajoelina sy ny TGV

Sôh’son

Manararaotra ny habadoana, sy indrindra ny fahantram-bahoaka sisa i Andry Rajoelina sy ny TGV amin’izao fotoana izao. Midika tsotra izao fa haratsian-toetra sy tena toetra maizina mihitsy izany, fa tsy maneho velively ny tanjaka. Mifototra amin’ireo mantsy tato anatin’ny volana vitsivitsy izao teny voizin’ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina sy ny tenany, ary izany rehetra izany dia tsy afaka lainga sy fampandriana adrisa hatrany ary fanasàna atidoha fotsiny an’izay marivo salosana. Ankoatra ny teny famitaham-bahoaka izany, araviravy ny vola izay tsy nisasarana fa azo tamin’ny fomba hafahafa samihafa tsy mendrika, atobaka hisintonana vahoaka, fa raha tsy manao izany dia tsy mahazo olona amin’ny hetsika izay atao. Ankoatra ny vola dia zavatra samihafa toy ny tee-shirt, satria izay ihany no hany ahafahana mahazo olona satria ireo tsy manana ary mora voarebireby.

Misarika ny saina izany fa tena natao mihitsy izay hampahantra ilay vahoaka ho sahirana ara-pivelomana, ka mora baboina amin’ny fomba maloto toy izany rehefa migadona ny fotoam-pifidianana. Hoan’ny mpamakafaka rahateo, dia ny fitondrana Rajoelina raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana dia tsy nihevitra afa-tsy izay hanaovana ny fifidianana manaraka afaka 5 taona, sy izay fomba handresena amin’izany. Dia tena manaporofo izany ny zavatra ataon’izy ireo ankehitriny.

Tsy mendrika tanteraka ny vahoaka Malagasy anefa izany fomba izany, ary tena hadisoan-dalana tanteraka ny an’ny fitaovana famoretam-bahoaka ampiasain’izy ireo isan’andro handrava ny hetsika fidinana an-dalambe tarihin’ny Vondron’ireo kandidà. Hetsika mitaky ny famerenana ny tany tan-dalàna eto amin’ny firenena sy ny fanoherana ny fidiran’i Andry Rajoelina ho kandidà kanefa mizaka ny zom-pirenena frantsay, ary koa ny fitakiana ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Ezahin-dry Andry Rajoelina sy ireo mpisolelaka ary mpanohana bontolo azy ny hanatanterahana amboletra ny fifidianana. Matoa manao izany fomba izany dia manao ny tsy marina ary tsy manaraka ny ara-dalàna, sy manosihosy ny Lalampanorenana. Ary ny ekipan-dRajoelina dia efa zatra ny fampiasana herisetra hiakarana eo amin’ny fitondrana toy ny tamin’ny taona 2009-2010 sy ny tamin’ny taona 2018.

Zatra ny lalana toy izany izy ireo, ka mbola mihevitra ny hanao izany indray amin’izao fotoana izao. Fanimbana firenena tsotra izao anefa izany lalana izany ka tsy ekena intsony. Ny zava-nitranga hatramin’izay nataon’izy ireo aza izao ny vokany, ny sarambabem-bahoaka sy ny firenena no mitondra faisana. Tsy maintsy ovaina ny lalan’i Madagasikara manomboka izao, fa tapahana hatreo ny lalana nanimba firenena sy nampihitsoka azy hitoetra ho rambony hatrany miohatra amin’ireo firenen-drehetra maneran-tany.