EDITO 28 Oktobra – Leo an-dRajoelina sy ny fitondrana mandimby azy izao ny maro

Beharo

Tena leo an-dRajoelina sy ny fitondrana mandimby azy amin’izao fotoana ny ankamaroan’ny olona, raha ny fanadihadiana sy famakafakana nataon’ny gazety.

Mponina avy eny Alasora maro no tonga nahafoy fotoana nilahatra ho eny Sab-Nam mihitsy, matoa manao izao, dia fitiavana kandida vaovao fa tsy io Bruce Lee io indray hoy izy ireo. Tanora 10 mianadahy eo ho eo no niala bus Avaradrano teo Ilafy, nilaza mazava fa te-hampaneno vilany sy kiririoka rehefa mitaotao vovonana, haneho amin’ny be sy ny maro, fa efa leo ity fitondrana mpandainga ity koa. Ramatoa mibaby zaza iray aza dia nilaza mazava, fa izao no tolona iriany fa hampiverina an’i Dada eo amin’ny fitondrana. Mpifankatia anankiroa ihany koa teo anoloan’ny orinasa Somacou, nilaza fa tsy voavidy vola izahay matoa mitolona toy izao, mba ho antoky ny tokantranonay sy ny taranakay any aoriana, fa tsy fiainam-bazaha taratasy toy izao foana sanatria.

Teo am-piandrasana ny fiaingana ho eny Sab-Nam omaly, dia nahavelom-bolo ny fahitan’ ny rehetra ireto zandary sy polisy nandamina ny sisin-dalana, ka nanome hery ny fiara nifamezivezy tokoa. Vahoaka marobe no nifampiandry isaky ny toerana fijanonan’ny fiara fitaterana, ka vao miala amin’ny zotra H na bus 192, 194, 126, dia nisy hatrany olona te-hamonjy io filaharana io, ary nilaza mazava fa tsy voavidim-bola, satria kivy tanteraka tao anatin’izay fitondrana Rajoelina izay. Mpiasa maromaro avy amin’ny zone franche teny Ambohitrarahaba sy ny manodidina iny dia nilaza, fa faly tokoa mahita ny firaisankinan’ireo kandida 11, ka na tsy afaka milahatra aza omaly atoandro, dia nanambara fa tsy miala amin’izy K11 ireo mihitsy, fa efa tofoka tamin’ny teo aloha.

Fehiny dia leo ny fitondrana Rajoelina nandritra ny 5 taona izay ny maro ary mila fanovana eto amin’ny firenena.