Faritra Antsiranana – Tsy mazava ny elanelan’isan’ny mpifidy eo amin’ny CENI Foibe sy ny fanisana eny amin’ny disitrika

Ny Valosoa

Tonga tany Antsiranana ny delegasionan’ny CENI Foibe, notarihan’i Houssen Abdallah, filoha lefitry ny CENI, izay nanokatra ny fotoana fampiofanana ho an’ireo hiandraikitra ny fifidiana ao amin’ny faritra DIANA. Natao haharitra roa andro io fampiofanana io ao amin’ny “chambre de commerce”, entina hanazavana ny fomba fitantanana ny biraom-pifidianana, ny mikasika ny SRMV na ny “section recensement des matériels de vote”, ny asan’ny CID na “chef de Centre informatique district”.

Nanantitrantitra ingahy Houssen Abdallah fa ny CENI dia “manao zavatra ara-dalàna, tsy mamoromporona, mangarahara tanteraka hatramin’izay, manaja ny lalàna velona”, saingy “indraindray rehefa teren’ny loza dia mety misy fahadisoana “matériel”, misy “cas isolés par-ci par-là,…, fa tsisy finiavana handeha hangalatra”.

Teto dia nahagaga ny fihetsik’i Houssen Abdallah raha nanontaniana mikasika ny elanelan’ny mpifidy araka ny CENI Foibe sy ny CENI araka ny fanisana teo anivon’ny distrika manerana ny faritra DIANA. Nilaza ny tenany fa miisa 382.703 ny mpifidy ao anaty ny faritra DIANA ary 876 ny birao fifidianana. Raha toa ka nanontaniana ny tenany mikasika ny elanelana miisa 3513 dia naninzingizina izy fa ny azy no ôfisialy. Izay izany ilay mangarahara tiany ho ambara.

Araka ny fanisana natao tao anaty ny faritra dia toy izao ny antontanisa isaky ny distrika: Diego I 64.004, Diego II 59.125, Ambilobe 105.149, Ambanja 99.039, Nosy Be 51.873, izay mitotaly 379.190. Raha ny tokony ho izy dia ingahy Houssen Abdallah mihitsy no tokony handray an-tanàna ny fanadihadiana mikasika ireo isa 3.513 tombony ireo.

Raha ny mikasika ny CENI, indrindra ny Foibe dia efa mibaribary ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny tsy ara-dalàna mitranga etsy sy eroa, raha tsy hilaza fotsiny ny karapanondro “doublons” eny amin’ny fokontany, olona efa maty anaty lisi-pifidianana, fisian’ny sefo distrika mividy sefo fokontany, olona ampanantenaina “vatsy tsinjo” na “tosika fameno” raha misoratra anarana miaraka amin’ny laharana kara-pifidianana any amin’ny foiben’ny antokon’i Andry Rajoelina.

Mazava fa tsy feno ny fepetra hisian’ny fifidianana mangarahara sy madio ary ho eken’ny rehetra.