TOMPONDAKA AMIN’NY FITSIKILOVANA KOA ?

Nolaniana indray ny vola ho amin’ny fitsikilovana
Fa izay no mahamaika mialoha ny fifidianana?
Dia ahoana ireo mahantra sy ireo fadiranovana,
Tsisy vidiny aminao f’aleo hanolanolan-tanana?

Volabe miliara anie ity nolaniana ho amin’izany,
Nefa tsy hiteraka inona ho an’i Madagasikara.
Sa tsy gasy intsony moa ka tena tia mandanilany,
Efa nivadika ho vazaha ka mitsikilo indray no tsara?

Nolaniana indray ny vola ho amin’ny fitsikilovana?
F’angaha dia tsy matoky tena, angaha tsy tompondaka indray?
Efa izay atao rehetra no indro feno fahalovana,
Hany ka mitebiteby sy manomboka ho fay?

…Mandiniha ka mihevera ry olon-tsy milamin-tsaina,
Tsy ianao ilay andrandraina hanavotra ny firenena.
Ary dia tsarovy koa, tsy ho ela ianao dia hotsaraina
Ka ny mety, ’ndeha mimpirina, izay no tena fahendrena!

TSIMIMALO (26-10-23)