Fivondronamben’ny firaisamonim-pirenena – Potika ny firenena, miantso ny kandidà rehetra hifampidinika

Stefa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety afak’omaly ny fivondronamben’ny firaisamonim-pirenena eto amintsika, nambaran’izy ireo tamin’izany fa potika ny firenena, noho izany, miantso ny kandidà rehetra amin’ny fifidianana filohampirenena izy ireo hifampidinika. 𝙃𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣𝙩𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙤 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙞𝙣’𝙣𝙮 5 𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 indray, 𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙩𝙤𝙖 𝙠𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙞𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙧𝙚𝙨𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙩𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖, hoy ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena nandritra izany. Mizara roa mazava tsara ny fototry ny olana : mitanila amin’ny kandida iray ny CENI sy ny HCC ary ny governemanta ifarimbonana. Ilaina ny fanavaozana ireo rafitra ireo, ka ao anatin’ny fifampiresahana no hahafahana mijery vahaolana amin’izany. Miandry ny fahatongavan-tsainan’ny kandidà Andry Rajoelina izay minia mikimpy, tsy mamaly ireo fifampiresahana efa natao ihany koa ireo firaisamonim-pirenana, manoloana izao olana ateraky ny finiavany mizaka ny zom-pirenena frantsay izao. Navoitran’izy ireo koa fa: samy mihizingizina tsy hifanatona hifampiresaka, ka hitady vahaolana ireo mpifaninana hofidiana ho filoham-pirenena sy ireo mpanao politika miaradia aminy avy. Ahiana hiteraka krizy lalina eto amin’ny firenena izany, na hisy fifidianana na tsy hisy, hoy ireo firaisamonim-pirenena.

Manoloana izany dia manaitra sy manaika ny olompirenena tsy ankanavaka ireo firaisamonim-pirenena mba hiaraka amin’ny hetsika mba hanerena azy ireo hifampiresaka hikatsaka vahaolana :
-ny fananganana sainam-pirenena malagasy toy ny misaona anio alakamisy 26 oktobra izao, ka hatramin’ny alatsinainy 30 oktobra
-ny fanovana ireo sary sy seho amin’ireo tambazotra sosialy ho sainam-pirenena malagasy toy ny misaona.
-ny fampanenoana izay azo ampanenoina rehetra : toy ny lakolosy, kiririoka, klaxon, sioka, sarom-bilany, koveta fanasan-damba, fitaovam-pianarana sy ny sisa, any amin’izay toerana hisy antsika ny zoma izao amin’ny 12 ora antoandro, izay haharitra 5 minitra”.