Raharaham-pirenena – Fitokonambe ny mpiasan’ny fanabeazana hanomboka anio

Niaina

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Anosy ny solontenan’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, nambaran’izy ireo tamin’izany fa hanao fitokonambe ny mpiasan’ny fanabeazam-pirenena rehetra hanomboka anio.

Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana manerana ny Nosy, hanomboka anio 26 oktobra, araka ny fanambarana nataon’ireo mpitarika sendika nahitana ny avy amin’ny FM2F, na ny Fiombonamben’ny Mpiasan’ny Fanabeazana ho an’ny Fanovana, sy ireo sendika samihafa eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Antony dia ho firaisankinan’izy ireo amin’ny Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara (SSM), izay nanome fe-potoana 72ora hamahana ny olana politika mihàtra amin’ny firenena, eo ihany koa ny fitakiana anatiny ataony noho ny fahararian’ny sehatry ny fanabeazana, toy ny zava-manjo ny mpampianatra. Nanamafy ireo mpitarika fa ara-dalàna sy anatin’ny zo sendikaly ny fitokonana, ary nandalo ireo antanan-tohatra samihafa izy ireo.