Depiote Masy Goulamaly – Nampibaribary resaka kolikoly amin’ny fifidianana

Niaina

Manohana ny hetsiky ny vondron’ny kandidà 10 ny depiote voafidy tany Tsihombe faritra Androy Masy Goulamaly. Araka ny fanambarana nataony: “mampahafantatra anareo namako, mpiara-miasa, fa indrindra ny Vovonana A.M.M sy ny antoko politika AMM, fa manomboka izao dia miaraka amin’ireo Solombavambahoaka izay mitaky ny tany tan-dalàna ny tenako, ka manohana koa ny hetsika iarahan’ireo 10 Kandida, ho fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny eto aminy Firenena iombonana. Koa andao, AVOTANTSIKA MIARAKA i MADAGASIKARA”, hoy izy. Tsy ny olom-boafidy ihany, fa tsy mitsahatra mitombo isan’andro ireo manohana ny tolona ataon’ny vondron’ireo kandidà, izy ireo rahateo dia manamafy, fa mitohy ny tolona ho amin’ny hisian’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra, ka soloina ny HCC, sy ny CENI ary ny governemanta ifarimbonana izay samy mitanila avokoa.

Kolikoly

Ankoatra izany, nahita trangana kolikoly amin’ny resaka fifidianana ataon’ny mpomba an-dRajoelina ny depiote Masy Goulamaly tany Fort-Dauphin faritra Anôsy. Nilaza izy tamin’ny fanambarana nataony mahakasika izany fa: “tsy ekena ny fandikan-dalàna toy izao, mibaribary loatra ny fanararaotana ny fahantran’ny Malagasy. Raha vao azo ny karapifidianana, dia efa misy ireo manentana ny mba handehanana eny amin’ny QG. Tonga ao dia alaina sary, anontaniana ny mombamoba azy, na ny isan’ny zanany. Avy eo dia omena taratasy kely lavalava, ary ampanantenaina fa io taratasy kely io no entina aty aminay raha vao lany eo ny Candidat, ary omena tosika fameno ianao, na vatsy tsinjo. Tsy azo ekena ny toy izao”, hoy izy.