EDITO 26 Oktobra – Fanoherana ny tsy ara-dalàna – Tsy avela ho very fahatany ny ràn’ireo nitolona ho an’ny tanindrazana

Sôh’son

Fantatra mazava izany izao, fa miezaka mandrava amin’ny fomba rehetra, handravana ny Vondron’ny kandidà ny rafi-pitondrana manohana sy miara-dia amin’i Andry Rajoelina. Misy ny nisintaka sahy niàla, fa adinony ilay fomba fitenenana hoe « aza miàla amin’ny maro », ary « aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka ». Ny fanaovana fampielezan-kevitra, dia tsy misy adihevitra, fa fanekena tsotra izao ny hifaninana amin’i Andry Rajoelina ho afaka hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. I Andry Rajoelina anefa, dia tsy azo ekena marindrano mihitsy ho kandidà amin’izao fifidianana izao satria Frantsay izy, fa tsy Malagasy. Ary ity firenena ity tsy hoentina vazaha frantsay intsony, satria ny firenena frantsay no nanjanaka teto sy nandatsa-drà sy namono ny mpiray tanindrazana tia tanindrazana efa ho iray hetsy mahery. Tsy avela ho verivery fahatany amin’izao ny ràn’izy ireo fa misy hasiny izany. Asakasak’izay minia mikimpy, mivarotra ny fanahiny amin’ny mpamadika sy mpivarotra tanindrazana, ary tsy vita ho azy amin’izao anefa izany ataony ankehitriny izany satria masina ny tanindrazana.

Nanagorobaka sy nigoka harembe tsy hita pesimpesenina teto ny Frantsay tao anaty fanjanahantany nandritry ny 64 taona. Mbola nitohy anefa izany fandrobana ny haremben’ny Malagasy izany taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena ary mandraka ankehitriny, indrindra tamin’ny nahatonga an’i Andry Rajoelina ho filoha ny taona 2018 hatramin’izao. Tsy hanapaka izany velively i Andry Rajoelina ary tsy ho sahy mihitsy hampiato ny figohan’ny fitondrana frantsay izay tombontsoany rehetra eto hatramin’izay, sy izay mbola hoavy manaraka amin’izao hanaovany letrezana amin’ny fifidianana izao.

Noho izay fiarovana ny tombontsoa frantsay izay sy ny azy manokana, sy ny an’ireo mpiara-dia aminy dia milofo mafy amin’ny fomba rehetra na dia maloto sy voretra tanteraka mamohehitra aza izany. Tsy atao hahagaga raha ny fisian’ireny fomba feno herisetra ampanaovina ny mpamoritra vahoaka ireny sy ny fandikan-dalàna samihafa, hatramin’ny Lalampanorenana, handrobana fahefana. Tsy maintsy mandalo sedra ny tolona ho fanoherana ny toy izany. Tsy maintsy mijoro hatrany anefa ny olom-pirenena saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena, satria tsy maintsy averina eto amin’ity firenena ity ny fahamarinana ho fitsinjovana ny hahasoa ny taranaka any aoriana ary masina ny Tanindrazana. Tsy maintsy atao miha-mafy izany mandrapahatonga amin’ny tanjona tratrarina.