MISY FARANY RY FOZA…

Misy farany ry foza izay natomboka rehetra,
Koa ataovy ny veloma f’efa antomotra ny fetra.
Propagandy sisa izao no isehoana faramparany,
Dia izay ny an-dRainilainga, ho voakosoka ny anarany!

Misy farany ry foza izay natomboka rehetra,
Tsy voatery handaitra hatrany ny fanaovana amboletra.
Diso kajy ianao izay nihevitra ny hanao sahafa volana,
Mety ho tsara angamba izany saingy tsy dia vahaolana.

Misy farany ry foza izay natomboka rehetra,
Mandehana miova lasy dia ovay ny tarigetra.
Raha nifidy ny ho vazaha dia any andafy indray mirotsaka,
Fa ny rindrinao tetoana, efa tapitra nihotsaka!

Misy farany ry foza izay natomboka rehetra,
Misy fetra ihany koa ny fampiasana herisetra.
Mety ho tompondaka ianao kanefa aoka handini-tena,
Tsy herim-batana no ilaina raha hitondra firenena!

IRINA HO TAFITA (25-10-23)