Anosizato, Ampitatafika, Imerintsiatosika – Tsy hisy fifidianana aloha raha tsy mivaly ireo fitakiana

Rajo

Niainga teo Anosizato Boriboritany faha-4 Antananarivo Renivohitra, nihazo an’Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano ary nipaka hatrany Imerintsiatosika distrikan’Arivonimamo omaly, ny vondron’ireo kandidà 11 omaly. Diabe am-pilaminana teo Anosizato ka hatrany Ampitatafika no nanombohana izany. Nohamafisin’ireo vondron’ny kandida filoham-pirenena teny Ampitatafika, fa fitokonambe anio manerana an’i Madagasikara. Hanatevina ny hetsika tarihan’ny vondron’ny kandida filoham-pirenena ireo sehatra samihafa toy ny fahasalamana, ny fampianarana, ny sendika samihafa, ny mpianatra, fikambanana sy mpanao pôlitika samihafa, sns…

Ankoatry ny eto Antananarivo dia fantatra fa mihetsika ihany koa ny any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Hatreto dia tokana ny tanjon’izy ireo, dia ny tsy hanatanterahana ny fifidianana aloha, raha tsy mivaly ireo fitakiana sy fangatahana toy ny fanavaozana ny Hcc, ny Ceni, ny fandravana ny governemanta ifarimbonana izay mitanila ary ny tsy tokony hidiran’ny kandida Andry Rajoelina ho kandida noho izy ninia naka ny zom-pirenena frantsay. Hatreto dia nanamafy izy ireo, fa mivondrona ary tsy mivaky ny vondron’ny kandida filoham-pirenena hatreto. Nohamafisiny ihany koa, fa tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona ho fanavotana an’i Madagasikara.

Ankoatr’izany, anio dia hanangana saina malagasy atao ambany ho mariky ny fisaonana noho ny loza manjo ny firenena ankehitriny ny vahoaka malagasy. Ho latsaka ankaterena mantsy ny firenena malagasy raha izao zava-mitranga izao. Io no fanamafisana nataon’ny firaisamonim-pirenena manoloana ny zava-mitranga ankehitriny. Anio alakamisy hatramin’ny alatsinainy ho avy izao no hanatanterahana izany eto Madagasikara. Rahampitso zoma kosa dia hisy ny 5 minitra amin’ny mitatao vovonana hanaovana antso vonjy nohon’ny fitiavan-tena ataon’ny mpitondra ankehitriny, ka aseho amin’ny alàlan’ny fampanenoana lakolosy, kiririoka , klaxone , sarombilany, sns… izany. Antso vonjy ho an’ny tanindrazana no tanjona.