Manambohinahitra Tafika sy Zandary – Nilaza ny mety ho mpikambana raha hisy Directoire Militaire

Ny Valosoa

Manamboninahitra amin’ny Tafika sy Zandary maromaro no tafaresaka tamina mpanao gazety vitsivitsy omaly, niresaka mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, ny olana momba ny zandary sy tafika ary polisy ary ny mety hisian’ny Directoire Militaire. Dinidinika:

-Mpanao Gazety (MG): Ahoana no fahitanareo izao fankahalan’ny vahoaka ny zandary mavaivay amin’izao vanimpotoana izao?

-Manamboninahitra Tafika sy Zandary (MTZ): rehefa nandinika izahay Zandary dia nahita, fa tsy mety ny fisian’ny SEG io, fa lasa instrumentalisée ny gendarmerie. Ary raha mitohy izao fomba fiasa izao, dia tsy hanome tsiny ny mpanao politika izahay raha hametraka loi na décret ny hanavaozana ny fampiasana forces eto, ka hanao restructuration, hanafoanana ny gendarmerie. Toy izany koa ny Ministère de la sécurité publique io. Tsy ilaina ministère izany. Ny Mininstere de l’Intérieur dia ampy, afaka mampiasa ireo, araka ny lalàna velona. Foanana any ny OMC sy EMMO io, fa sady tsy manara-dalàna no lasa fananan’ny zandary. Any amin’ny firenena maro dia tsy ahitana an’ireo secrétariat sy ministère misahana ny gendarmerie sy ny police io, fa ny eto Madagascar ihany. Ny antony dia tsy fahatokisan-tenan’ny mpitondra, ka sady mividy ankolaka ny Forces de l’ordre no manamora ny famoretana vahoaka. Vokany miakatra ny isan’ny tsy maty manota sy ny mpanao tsolotra avo lenta eto amin’ny firenena.

-MG: Ahoana kosa hoy ianareo ao amin’ny Tafika?

-MTZ: amin’izao vanim-potoana izao dia manomboka miseho lany ny fimenomenonana ao anivonay ao amin’ny Tafika, noho ny fahatsapan’izy ireo, fa lasa fitaovana izy ireo, manao ny tsy asany, mba hanetsenana ny isan’ny zandary any ambanivolo any. Ny polisy sy zandary mahazo vola (indemnités) miambina karana sy banky, ny Tafika maty manenjika dahalo sy mitety tendrombohitra manao tournée administrative izay asan’ny zandary.

Amin’izao dia mifandrotika ny police sy gendarmerie mba hitantana ny indemnités, ka miezaka mafy mampatahotra ireo karana sy mpanao politique, mamorona tranga, ambana tsy misy, mba hahazoana vola.

Ho anay ao amin’ny Gendarmerie: vokatr’izao fampiasana amin’ny tsy izy ny zandary izao dia: ny samy zandary ihany koa no lasa tsy mifampatoky, misy ny mahazo vola aman’hetsiny, misy ireo réglo tsy mahazo na dia ariary aza. Noho ireo dia manahy izahay ny hisian’ny ady anatiny ny samy force, hita fa mahatsapa izany koa ireo kintana eo anivon’ny forces.

-MG: inona izany no dikan’ireny rassemblement teny Ampahibe ireny?

-MTZ: milaza izahay hoy izy ireo, fa manana plan B amin’izao toe-draharaha misy izao. Plan B tsy mety teraka, miandry rotaka, fifamonoana, sa ny fitsanganan’ny zandry sahisahy vaovao: nouveau Commandant Charles sy Lylson? Raha ny sary tamin’ny alatsinainy, nandritra ny fanganan-tsaina tao amin’ny MDN: ministeran’ny fiarovam-pirenena, no plan B lazaina, dia Directoire militaire ve izany ilay izy? Directoire miandry validation avy amin’ny Mpamatsy vola ny fitondrana teo aloha, sa avy aminy filoha iza? Tsarovy fa tsy hanaiky izany ireo zandry Capitaine sy Commandant ireo, satria efa hita ny zavatra tsy nety nataon’ny MDN sy SEG teo aloha, dia mbola La 13 ihany ve no hi-influencés ny directive eto? Mitady tombontsoa mandra-pahafaty (statut de chef d’État) ve ireo La 13 ireo? Ny Directoire ry zoky sy zandry isany dia tsy voatery ho ny Anciens na plus haut gradés no membres ao. Efa niseho izany tamin’ny taona 1975, ary azo raisina ho Jurisprudence amin’izao fotoana izao, ka tsy misy antony mbola hiverenanao manao rassemblement any amin’ny MDN intsony Andriamatoa Richard isany au carré. Aza alokalofana ny zandry, fa olona manampahaizana koa izy ireo. Tahotra ny Tafika ny an’Ingahy zoky retraité iny, satria milaza izy fa “arme d’élite ny zandary, izay fihetsika mifanambany sy mampizarazara, dia lasa milaza ny ankilany hoe: arme de corrompus no marina kokoa, izay anefa no misy, ka mba hahafahany mifehy ny Tafika, izay misy efa nandefa fitarainana teny amin’ny HCC dia mampiasa ny iraikalahy promo-ny izy, araka ilay fovoriana teny Andohalo notarihany. Ry zandry isany: raha Directoire ilay Plan B, dia: miomana isika rehetra hijery ny représentant-ntsika ho membres ao amin’io Directoire io, par région, par génération, mais non pas par groupe de dinosaures: Jereo ny isam-paritra, isaky ny antokon-taona, fa tsy amin’ny vondron’ny dinosaures. “Ho an’ny tanindrazana”.