TAPITRA NY FE-POTOANA

Izao no ora sy fotoana ry mpiasa malagasy,
Aza mihemotra intsony, aoka tsy hilasilasy.
Mirosoa eroa an-kianja, ‘ndao grevy no irosoana.
Aleo haato aloha ny asa sady tena ampikatsoana!

Efa tena tsy mandre no sady jamba ny mpitondra,
Tsy mamaly ny hetaheta fa manao lohan’ampondra.
Tsy dia hoe filàna vaniny f’efa vita ny ala nenina,
Mila haongana malaky ireo miseho ho bemarenina!

Mbola tsy izao mihitsy no fotoana hifanentanana,
Hirosoana sy hivoizana an’izay hoe fifidianana.
Fitoniana izao no ilaina sy mpitsara tena vanona,
Raha tsy mbola misy izany dia aleo aloha hajanona.

Izao no ora sy fotoana ry mpiasa malagasy,
Aza mihemotra intsony fa izay be anie no basy!
Indro tapitra ny ora sy fotoana nampiomanana,
Amintsika, tsisy hatreto izany atao hoe fifidianana!

DADAN’i RIANA (25-10-23)